Mbola manangatra ao an-dapa i Gallieni hatramin’izao

Ny Valosoa

Ny 27 Mey 1916 no maty tany Versailles tany Frantsa ny Jeneraly Joseph Gallieni, ilay Governora Jeneraly voalohany, nalefan’ny fitondrana frantsay nifehy antsika malagasy fony isika vao lasa zanatany ny 06 Aogositra 1896.

Governora nisantatra ny herisetra tamintsika malagasy ny Jeneraly Gallieni, santionany amin’izany ny namonoany ny Printsy Ratsimamanga sy Rainandriamampandry, ny nandefasany sesitany ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo tatsy amin’ny Nosy La Reunion, ny fanimbazimbana tamin’ny endriny samihafa ny Rovan’Antananarivo, ankoatr’ireo dia maro ireo endrim-panandevozana nisy teto amintsika.

Rehefa nody tany Frantsa ny Jeneraly Gallieni dia mbola nanohy ny fomba ratsy nataony ireo governora jeneraly nandimby azy nandritran’ny fanjanahantany. Nony niverina ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960, ireo mpitondra Malagasy nifandimby dia samy niezaka niala tamin’ny fomba ratsy navelan’ny Jeneraly Gallieni, afa tsy ny mpitondra ankehitriny izay efa nitondra nandritra ny dimy taona tamin’ny tetezamita vokatry ny fakana fahefana tamin-kery.

Efa ho 106 taona no maty i Gallieni kanefa mbola manangatra ao andapa, ny anarana governora nosalorany no nampitondrainy ireo lehiben’ny faritra tsy voafidy fa notendritendrena fahatany, ny Rovan’Antananarivo dia mbola mitohy ny fanimbazimbana azy, amin’ny alalan’ny fananganana ny ‘’Colisée de la honte ‘’, ary ny anarana hoe Rovan’Antananarivo mihitsy no nofafan’Ingahy Filoha Rajoelina. Ny Filoha Ravalomanana notetehin’ny mpitondra tetezamita ho toy ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo nosakanana tamin’ny fomba rehetra tsy hody an-tanindrazana, tsy tambo ho tanisaina ireo fomba ratsy fanaon’i Gallieni, no mbola hita taratra amin’izao fitondrana izao.

Tany Versailes (Frantsa) no maty ny Jeneraly Gallieni ny 27 Mey 1916,

106 taona lasa izay, saingy indrisy fa mbola manangatra ao an-dapa ny fomba fiasany.