Mpanao koba sy saosisy Talata Volonondry – Mihàtra amin’ny taolana ny fidangan’ny vidin’ny akora

Ny Valosoa

Sehatra mampalaza ny kaominina Talata Volonondry distrikan’Antananarivo Avaradrano ny fanamboarana koba sy saosisy, izay maro ireo mividy rehefa mandalo eny an-toerana. Misedra olana anefa ankehitriny ireo mpivarotra sy mpiantoka, noho ny fidangan’ny akora, dia ny siramamy sy ny voanjo ho an’ny koba, ary ny ovy sy ny menaka ho an’ny saosisy.

Ny siramamy izay 2600 Ar teo aloha ny kg, lasa niakatra ho 3800 Ar, ny vodihazo 25000 Ar lasa 40000 Ar. Voatery miditra faty antoka izy ireo arak’izany, itazonana ny mpividy sy ahazoana vola iatrehana ny fandaniana sy ny fiainana andavanandro. Olana ho azy ireo koa ny tsy fisian’ny “parking” ahafahan’ny mpanjifa sy vahiny mijanona rehefa tonga eny an-toerana. Mahery ny 40 ireo mpisehatra amin’ity fitadiavana ity.

Mba hahafahana mivelona toy ny rehetra dia mangataka izy ireo ny mba hanaraha-maso ny vidin’entana ialàna amin’ny fanararaotana, indrindra ny siramamy sy ny menaka.