Filoha Ravalomanana tany Alarobia Vatosola – Tsy handefitra manana ny rariny intsony

Ny Valosoa

Nitsidika ny tany Alarobia Vatosola, any amin’ny distrikan’Andramasina, faritra Analamanga ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny delegasiôna notarihany ny alarobia teo. Hentitra ny filoha nasiônalin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, fa tsy hanaiky lembenana intsony izy sy ny ekipany ary ny vahoaka miaraka aminy amin’ny fifidianana ho avy:” tsy hanaiky lembenana, sy tsy handefitra manana ny rariny ingtsony isika,”hoy izy tany an-toerana. Nandritra izany, nitafa tamin’ny mpikatroky ny antoko TIM, sy ny mponina ao amin’ny distrikan’Andramasina ny filoha Marc Ravalomanana. Tsapa fa mila azy ny vahoaka Malagasy ary mahatsiaro ny zava-bitany teto amin’ny firenena ary anisan’izany ny fanamboaran-dalana.

Tsy lavitra ny distrikan’Antananarivo-Atsimondrano no misy an’Andramasina, saingy olana ho an’ny mponina ny faharatsian’ny lalana. Tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, no nanamboarana farany ny lalana mankany. “Ianao no fanantenan’ny vahoaka raha ny ety ambanivohitra. Miezaka ny handroso ihany fa tsy afaka. Fandriampahalemana, fiainana rehetra, potika”, hoy ny tantsaha iray nitafa mivantana taminy.

Izay rehetra alehany dia feno vahoaka te-hiresaka sy hitafa aminy. Vahoaka be no nitsena ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny kaominina Alarobia Vatosola. Ny tsapa dia mila ray aman-dreny tena vonona hiahy azy ny vahoaka Malagasy. Mahay mitsinjo ny fiainam-bahoaka, mahafantatra ny zavatra tena iainan’ny maro an’isa eto amin’ny firenena. Hoy ity ray aman-dreny ity tamin’io fotoana io: “Tsy afaka ny handroso mihitsy ity Alarobia Vatosola sy Ambohimiadana ary Andramasina ity raha tsy vita ny lalana. Izay no hilazantsika hoe: “Amboary ny lalana!”. Anisan’ny “priorité des priorités” io lalanareo io. Raha ela indrindra ny andro anaovana an’io, eo amin’ny folo andro dia vita. Sahy manome toky anareo aho fa vitantsika io lalana io. Rehefa tonga ny fotoana hoy izy. Tsy hitako izay lalana mba vitan’… Na inona na inona ny masomboly omena anareo, rehefa ratsy ny lalana, tsy hitako izay ilàna ny vokatra. Tena hitako ireo tanimbary fa vokatra tsara ny vary. Dia iny fa tonga indray ireny mpijirika ireny ary tonga dia vidiny mora be ny vokatra satria ratsy ny lalana. Izay no fahavoazana ety.”

Tso-drano no natolotry ny ray aman-dreny any an-toerana ho azy, amin’ny alalan’ny fanomezana manokana, amin’ny haha-ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra azy indray.