Fahefana mpanatanteraka mibaiko ny fahefana rehetra – Mitorona fa tsy mandroso amin’ny lalana tokony hizorany ny firenena

Andry Tsiavalona

Tsy takona hafenina intsony fa ny fahefana mpanatanteraka no mibaiko ny fahefana rehetra eto amin’ny Firenena, ka tsy mahagaga raha mitorona fa tsy mandroso any amin’ny làlana tokony hizorany ny fianam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra. Entina manamarina izany ireto tranga manahirana ny sain’ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fiainana ara-politika sy ara-pitantanana ary ara-toekarena. Tsy mbola nisy maneran-tany sy teto amin’ny Firenena, ka ny filohan’ny mpanatanteraka, no mampiantso ny fahefana mpanao lalàna, na ny parlemantera ho eny amin’ny Lapan’ny fiadidiana ny Repoblika, na ho eny amin’ny Lapan’ny Praiminisitra.

Iaraha-mahatadidy ny nampiantsoan’ny Praiminisitra ny parlemantera maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena momba ny fandaniana ny lalàn’ny tetibola nasiam-panovàna ho amin’ity taona 2022 ity. Niaraha-nahita maika ny mandoka sy misaotra ny filohan’ny Repoblika na ny minisitra, ny depiote, rehefa mitokana fotodrafitrasa « manarapenitra », kanefa ny andraikitry ny depiote dia ny manakiana sy mijery izay tsy manaraka ny fepetra ara-teknika (normes techniques) teo amin’ny fandrafetana izany. Eo amin’ny sehatry ny fahefana mpitsara dia mazava fa misy dian-tànan’ny filohan’ny Repoblika avokoa ny famoahana didy eny anivon’ny fitsarana. Tsapa fa rehefa olompirenena tsy manohana na heverin’ny mpitondra fa mpifaninana na fahavalo ara-politikany no nanao hetsika na nampaneno lakolosy momba ny trangan-javatra tsy mifanaraka amin’ny lalàna dia samborina sy ampidirina am-ponja.

Tsy zoviana ireo mpanao politika sy mpanao gazety izay any am-ponja ary vao omaly ny omaly no nivoaka ny didim-pitsarana manameloka an’i Rajaonah Mbola, higadra mandritra ny dimy taona sy handoa lamandy 57 miliara ariary. Ny manahirana dia ireo voampanga rehetra niaraka tamin’iy mpanao politika ity dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa. Tsara ampahatsiahivina ihany koa ny raharaha Rolly Mercia sy Berija, izay rehefa dinihana lalina dia hetsika tsy manozongozona ny fitondrana velively. Amin’ny ankapobeny dia tsy manana fahaleovantena mihitsy ny fahefana mpitsara. Mifanindry an-dàlana amin’izany ny momba ireo « mpitandro ny filaminana » izay mpiaro ny olompirenena sy ny fananany no andraikiny kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no hita satria rehefa misy hetsika ataon’ny mpianatra na ny mpandraharaha eny amin’ny sehatra samihafa na ny mpiasa mitaky ny zony dia mivadika ho herim-pamoretana ny vahoaka ireo heverina fa tokony hiaro azy.

Tsy azo adinoina ny raharaha « bonbons sucettes » sy « écrans plats » izay heloka bevava satria fanodinkodinam-bola nentina niady tamin’ny valanaretina covid-19. Tsy nisy fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana ka nanaovana famotopotorana ireo voakasik’izany sy ny fahefana mpitsara. Mazava ho azy fa mpikambana tao amin’ny fahefana mpanatanteraka ireo manampahefana ireo ka tsy azo nokitikitihana satria ny filohan’ny Repoblika no mitondra ny familiana eo amin’ireo rafitra roa ireo. Tsy nisy ary tsy mbola misy ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana momba ny fisamboram-bola nataon’ny ben’ny tanàn’Antananarivo tao amin’ny CNaps kanefa dia fanodinkodinam-bolam-bahoaka izany. Nisy ireo hetsika saika nataon’ny solombavambahoaka TIM sy ny mpanohitra amin’ny ankapobeny tany Soavinandriana ny herinandro lasa teo kanefa dia ny olom-boatendry no manampatra fahefana manakana izany.

Iaraha-mahatadidy anefa fa fony mbola mpanohitra ny fitondrana, taona efatra lasa, ireo manampahefana ankehitriny dia nivazavaza fa zo fototry ny olompirenena ny maneho hevitra ankalamanjana sy midina an-dàlambe misy fitakiana ataony. Tonga eo amin’ny fitondrana ireto mpanohitra tamin’izany fotoana izany ankehitriny, ka manakana ny olompirenena tsy haneho hevitra indray. Maneho fahalemeny sy mampiseho ny fanaovana dia miverina toy ny fanaony ny mpitondra ankehitriny ireo toe-javatra rehetra ireo. Raha ny Lalàmpanorenana dia misaraka tanteraka ny fahefana rehetra ary samy manana ny andraikitra manandrify azy ny fahefana tsirairay, ka ny mpanatanteraka na ny olomboatendry izay rantsamangaikan’ny mpanatanteraka dia tsy afaka mibaiko velively ny mpanao lalàna.

Fahefana fahaefatra ny mpanao gazety kanefa dia ny eto amin’ity Firenena ity dia maro ny mpanao gazety izay mandray baiko sy mamerina izay lazain’ny lehibeny fotsiny ihany, ka mendrika ho azy ireny ilay famaritana « la voix de son maître ». Tsy mitsaha-mitorona sady jamba sy marenina izao fitondrana izao, hany ka tsy afaka mandroso ny Firenena, hatramin’ny mpiara-miombon’antoka avy no manitsy ny diany.