NY OLAN’NY ANJERIMANONTOLO

Tena tsisy tokotaniny ny tontolom-pampianarana.
Hetsika sy fitokonana, mbola nofy izay hifarana.
Saingy hatreto ny mpitondra, tsy mahita vahaolana,
Fa ny ataony, izao hatrany: ny mampanantena volana!

Miova sy mivoatra hatrany ny endriky ny fitokonana.
Ny hany asetry izany anefa: tsisy afa-tsy fandrahonana,
Miampy lainga, fitapitaka, vonoafo, tampi-maso.
Vahaolana tsy misy fa mitohy ny andrasoandraso!

Arirarira hatrany hatrany iretsy mpianatra mitokona,
Aparitaka amin’ny baomban-dry “bebaoty” sy ry “bokona”.
Izay mikiry ny hijoro dia matetika samborina.
(Tsisy fahalalahana eto raha fehezina sy tsorina!)

Tara lava ny karama ho an’ireo mpandraharaha.
Miverimberina hatrany, saingy hatreto tsy voavaha.
Raha mba ny anareo mpitondra ve no tapaka na tara,
Ahoana re hoy ry bemolotra? angamba hisy ny bagara!

Ireo mpampianatra mpikaroka, efa tofoka sy boboka.
Raha ny hetsi-pitakiany, hatreto aloha dia toa mijoboka,
Fa ny fitsarana avo toa mangina tsy miteny.
(Tampina inona mihitsy re ny mason’izy ireny?)

…Tena tsisy tokotaniny raha ny anjerimanontolo.
Ny mpitondra ve no jamba na koa pahina daholo?
Tsy nandia izay hoe tokonana eny Ankatso ry boaikely,
Ka izay olana ao, tsy fantany sy tsy hainy velively!

IRINA HO TAFITA (26-05-22)