MITENY NY MPITSARA

Mbitanarivo Andriantsihorisoa Filohan'ny SMM (Syndicat des Magistrats de Madagascar) 27 Janoary 2022

Niala tamin’ny fahanginany ny sendikàn’ny mpitsara,
Ary tsy nihambahamba fa dia sahy nanambara
Ny amin’ny tokony hiverenana hanajana ny lalàna,
Ka voateniny manokana ireo mpitondra fanjakana.

Inoana fa tsy tonga ho azy ny endri-javatra toy izany,
F’efa marobe ny “tsindry” miala avy any ambony any,
Ka indreny ny mpitsara, heno mafy ny fitrenany,
Satria voakitika tanteraka ny amin’ny fahaleovantenany!

Maro ny olo-nanakiana, (tena nila ho fotsy rora!)
Ny amin’ny fomba nanendrena ity ilay hoe goverinora.
Tena tokony hofidiana fa tsy notendrena ireny,
Saingy “ny avo” ve voavidy ka nangina tsy niteny?

Misy ny olom-panjakana tena hita tato ho ato
Fa dia lasa vilam-bava, nefa maika hitari-bato.
Moa mahery ve ny vola ka dikaina ny lalàna?
(Indreo ny maro fa voavidin’ny sinoa sy ny karana!)

Ny vahoaka efa nitroatra sady nampiseho fandavana,
Saingy nisy ny najoro, tsy nahazo fankatoavana!
Amboletra no natao fa ny eny ambony ve no miaro?
Miakatrakatra ny feo sy ny hatezeran’olo-maro!

…Niala tamin’ny fahanginany ny sendikàn’ny mpitsara.
(Mbola tsy fahita izany teto Madagasikara!)
…Tanatin’ny enimpolo taona, sambany ny toy izao,
Ka mbà misaina sy mihevera ry efa tsisy kalitao!

DADAN’i RIANA (21-05-22)