Antoko TIM – Sabotsy 28 Mey – Famelomamaso – Redynamisation – Distrikan’Antsirabe I

Ny Valosoa

Ho fanomanana ny famelomamason’ny na redynamisation ho tanterahin(ny antoko TIM ao anaty ny distrikan’Antsirabe I ny asabotsy izao, dia nisy fanadiovana faobe notanterahina tao anaty ny kianjan’ny Magro Avaratsena.

Fanehoana firasiankina, fanehoana fiarahamientana no tazana teny ary niandahy, niambavy ny tanora sy ny lehibe izay nitondra fitaovana. Nentanin’ny faharisihana izy ireo tsy noterena, tsy novozonana, tsy nokaramaina.

Momba ny fahazoan-dalana hanao ny hetsika dia nanambara ny solombavambahoaka Jean François Michel fa tsy tokony hisy ny mizàna tsindrinila satria efa maro ny famoriham-bahoaka sy hetsika politika ataon’ny antokon’ny fitondrana any amin’ny faritra.

“Izaho efa niteny sy nananatra an-dry zareo hoe aleo tsy ho avy aminareo ny fanafintohinana, na ho atao zanak’ikalahafa fa tokony omena malalaka ny rehetra; efa mitety faritra daholo indrindra indrindra ny volomboasary. Tanindrazana iaraha-manana ity fa tsy an-dry zareo irery”, hoy i Jean François Michel.

Antenaina araka izany fa tsy hisy indray ny sakana toy ny nataon’ny prefen’i Soavinandriana, izay nanatrika taorian’izay, ny hetsika nokarakarain’ny volomboasatry tany an-toerana tamin’ny andro nifanandry tamin’ny an’ny antoko TIM ihany.