EDITO 24 Mey – Mijaly ny vahoaka Malagasy, maso hafa anefa no ijeren’ny mpitondra

Helisoa

Mitombo hatrany ny fahasahiranana mahazo ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena ankehitriny. Mikorontana etsy sy eroa, grevy fitakiana ny zo sy ny karama isan-karazany mbola mitohy hatrany tsy misy fiafarany. Ny vidimpiainana efa mila tsy ho zakan’ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy hita intsony izany hoe: mihinana sakafo intelo isan’andro izany, fa zara raha mahita ny hatokona. Latsaka ao anaty fahasahiranana mangitsokitsoka ny Malagasy ankehitriny.

Etsy andaniny anefa ny fitondràna tarihan’ny filoha Andry Rajoelina dia mizahozaho amin’ny toerana izay alehany fa tsy misy toa azy ary ny zavatra tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny 60 taona no ataony ankehitriny. Maso hafa no ijeren’ny mpitondra ny vahoaka Malagasy, ka tsy fantany ny fahoriana mihàtra amin’izy ireo. Misy mba mahatsapa ihany ireo mpitondra sasany milaza fa ny aretina coronavirus sy ny ady any Ukraine no ialàn’izy ireo bala. Tratra daholo anie ny firenena eran’izao tontolo izao, fa tsy i Madagasikara irery e! izay ilay hoe raha tena mpitondra matsilo sy mahay dia mila mitsinjo ny ho avy. Ny vinan’izy ireo aza miovaova, tsy fantatra intsony hoe: inona: IEM ve sa, PEM sa, Plan Marshall sa inona?… Ny hita aloha amin’izao fotoana, mihinana ny iem ny ankamaroan’ny Malagasy!