EDITO 21 Mey – 18 Mey 1972 – 50 taona no nandraisan’ny jeneraly Ramanantsoa ny fahefana feno

Ny Valosoa

Efa noresahina teto amin’ny gazetintsika ny zava-nitranga tamin’ny 13 Mey 1972, ny tohiny dia niha-nasiaka ny vahoaka noho ny fisian’ny mpianatra maty. Ny Alatsinainy 15 Mey 1972 dia nirongatra ny fitakiana ny fialan’ny Filoha Tsiranana, ny Talata 16 Mey 1972 tafaverina teto Antananarivo ireo mpianatra nosamborina ny Zoma 12 Mey 1972, niha-henjana ny fitakiana ny fialan’ny Filoha Philibert Tsiranana ny Alarobia 17 Mey 1972, satria nirotsaka nanatevindaharana ny mpianatra ny mpiasa sy ireo ray amandreny, ny Alakamisy 18 Mey 1972 nandray fanapahankevitra ny Filoha Tsiranana nanome ny fahefana feno ho an’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, hanangana ny governemanta, mijanona ho Filohan’ny Repoblika ihany ny Filoha Tsiranana, ny Jeneraly Ramanantsoa no lehiben’ny governemanta, saingy tsy nisalotra ny fiantsoana hoe Praminisitra.

Ny Talata 23 Mey 1972, no nijoro ny governemanta nahitana minisitra 10, manamboninahitra miaramila 4, ary teknisiana 6, nohamafisin’ny Jeneraly Ramanantsoa fa ampatoriana ny politika, fa imasoana ny fanarenampirenena, naseho ny Filoha Tsiranana ireo minisitra ary nomeny tsodrano ara-dalàna.

Nananambara ihany koa ny Jeneraly Ramanantsoa, fa ampiharina eto Madagasikara ny politikan’ny fitsitsiana na “politique d’austerité”, satria nahatsapa ny Jeneraly Ramanantsoa fa nanjaka ny fandanindaniampoana ny harempirenena tsy amin’antony tamin’ny fitondrana teo alohany.

Ankehitriny 50 taona aty aoriana, vao mainka zavadoza ny ataon’ny fitondrana Rajoelina satria ireny iaraha-mahita ireny ny firobarobana ataon’ny fitondrany amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsy mitera-bokatsoa ho an’ny vahoaka, ny marimarina kokoa variana amin’ny resaka tsy ihinanan-kanina ny fitondrana Rajoelina.

Ny fanapahan-kevitra goavana iray ihany koa noraisin’ny governemanta Ramanantsoa dia ny famoahana ireo gadra politika, anisan’izany i Monja Jaona voasambotra noho ny raharaha tany atsimo ny volana Aprily 1971, novotsoran’ny Jeneraly Ramanantsoa koa i André Resampa, izay noampangaina ho nanongana ny Filoha Tsiranana.

Fa 50 taona aty aoriana dia mbola misy ireo mpanao politika gadraina, mailaka ery ny molotr’i Mamasaosy milaza ny hoe tsy heloka politika no nampigadra ireo nofonjaina toa an’i Rolly Mercia sy Berija fa heloka tsotra na “droit commun”, kanefa dia hita mibaribary fa namoronana heloka niampangana azy izy ireo, izay sahy mijoro manohitra ny fitondrana tsy mahomby amin’izao fotoana.

50 taona ny nahazoan’ny Jeneraly Ramanantsoa fahefana nanangana ny governemanta tarihany, ireo fomba tsara izay niavahan’ny fitondrana Ramanantsoa dia toherin’ny fitondrana Rajoelina ankitsirano, kanefa vao mainka manaratsy endrika azy izay efa ratsy hatramin’izay.