ARAHABAINA RAINILAINGA

Manao hadisoana misesisesy
Fa efa matahotra ny ho resy?
Ny vina rehetra tsy misy miainga
Ka nahazo anarana ho Rainilainga?

Ny tanjona dia ny hampandihy vahoaka,
Satria efa tena tsy misy hapoaka?
Kanefa ny maro vao mainka fanina,
Satria efa reraka sy sahozanina!

Raha vao mba miseho dia efa ihomehezana,
Ianao Rainilainga mpanao letrezana.
Tsy miafina intsony ny sai-maloto
Sy fomba fanaon’ny jiolahimboto!

Ny tsy ho tanteraka no hiraina.
Ny nofin’ankizy no tanisaina!
Ny mbola any an-kibon’ny omby hatrany
No ventiventesina sesilany!

…F’izany ilay hoe Rainilaingantsika.
(Varia-manonofy teleferika!)
Ny sainy no hita ho misidintsidina.
(Tsy miafina intsony fa sain’angidina!)

DADAN’i ZINA (18-05-22)