Anjeva Gara Avaradrano – Tafakatra 68% ny fampidiran-ketra raha 24% teo aloha

Aly

Hanohy ny fanatsarana ny fampidiran-ketra ny ao amin’ny kaominina Anjeva Gara distrikan’Antananarivo Avaradrano, amin’ity taona 2022 ity, hoy ny ben’ny tanàna Raoeliarison Haja.

Nisy fitomboany be izay fampidiran-ketra izay tao amin’ny fiadidiana ity tanàna ity, satria 24% izany tany aloha, tafakatra 68% amin’izao fotoana. Ny antony mahatonga izany hoy izy, mavitrika manatanteraka ny adidiny ny mponina, misy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny tetikasa iarahana amin’ny alemà, amin’ny alalan’ny GIZ ny amin’ny paikady ho amin’ny fampitomboana izay fampidiran-ketra izay. Na mitombo aza anefa ny fampidiran-ketra, mbola ambany ihany ny vola miditra amin’ny kaominina anaovana fampandehanan-draharaha, sy asa fampandrosoana avy amin’izany, satria mbola ambany ny tahan’ny hetra alaina amin’ny mponina, mbola misy hoy ny ben’ny tanànan’Anjeva Gara ny hetran-trano 2.000 Ar na 5.000 Ar ao amin’ity kaominina iadidiana ity, fa ny zava-dehibe hoy ihany izy dia ny faharisihan’ny mponina manefa izay hetra izay.

Ankoatra izany, tetikasa fohy ezaka tanterahan’ny kaominina amin’ity taona ity, ny fampidirana rano fisotro madio amin’ny fokontany miisa 2 any an-toerana, marihina fa ahitana fokontany miisa 10 Anjeva Gara. Ny jiro, fokontany 3 sisa no tsy misy an’izany, ezahan’ny kaominina ny hanomezana azy ireo jiro mandeha amin’ny angôvo avy amin’ny masoandro. Hanamboatra foto-drafitrasa momba ny fanabeazana, sekoly, ihany koa ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna Raoeliarison Haja amin’ity taona ity.

Tantsaha ny ankamaroan’ny mponina any Anjeva Gara, manampy ny mpamboly ny kaominina amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo masomboly sy zezika, momba ny masomboly raha manome masomboly 3 kg ny mponina ohatra ny fiadidiana ny tanàna tamin’ity taona ity, honeran’izy ireo avo roa heny izany amin’ny taona manaraka ary toy izay hatrany, mba hampitomboana ny vokatra sy ny masomboly hampiasaina io.