EDITO 17 Mey – Hisy farany ny zava-drehetra na ho ela na ho haingana

Helisoa

Volana maromaro no hisaina dia ho avy ny taona 2023 izay hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenena indray. Raha hiverenana ny fifidianana natao ny taona 2018, izay niakaran’ny mpitondra TGV teo amin’ny fitondràna dia halabato be vata no hita tamin’izany, araka ny nambaran’ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tamin’izany. Nisy ny doublon teo amin’ny lisi-pifidianana, izay nijoro vavolombelona mihitsy tamin’izany ny filoha lefitry ny CENI teo aloha Thierry Rakotonarivo, olona iray nanana karapanondro maro, sns… Izay efa fantatry ny maro fa tsy haverina intsony.

Dieny izao mbola misy ny fotoana dia efa nampaneno lakolosy ny antoko mpanohitra eto amin’ny firenena, fa tsy maintsy jerena miaraka ny hisorohana ny tsy nety toy ny tamin’ny 2018 aloha, raha hanao fifidianana madio sy eken’ny rehetra isika eto Madagasikara. Nisy ny tolo-kevitra nivoaka tamin’izany ny hijerena ny CENI sy ny HCC, mba tsy hitongilana any amin’ny fitondràna. Ny maro an’isa dia ny fitondràna TGV tarihan’i Andry Rajoielina no nanendry azy ireo. Mila manao refonte na fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana isika, izao vao manaiky izany ny governemanta.

Mialohan’izany dia tokony hisy fikaonandoham-pirenena, hiarahan’ny rehetra na mpanohitra io na mpanohana fitondràna, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpisehatra rehetra eto amin’ny firenena. Tsy mandeha irery ny fangatahan’ny mpanohitra, indrindra ny RMDM, izay tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, fa tonga eto Madagasikara ny mpamatsy vola an’i Madagasikara toy ny avy amin’ny Vondrona Eôrôpena mahakasika ny resaka fifidianana mandritra ny iray volana. Vao nigadona teto Madagasikara ireto farany dia nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, izay mitovy tsy misy valaka amin’ny zavatra takian’ny vondron’ireo mpanohitra eto amin’ny firenena. Mbola nampiany aza ny fanambaràny ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny firenena, indrindra ho an’ireo mpanao gazety. Tsy mangataka andro ny vondrona EOROPEANA, fa amin’ny fivoriana ara-potonan’ny solombavambahoaka dia efa tokony ho jerena ny lalàmpifidianana.

Eto dia manamarina ny fitakian’ny mpanohitra ny volazan’ireo vahiny, fa mitombona fa tsy hoe faly hanakorontana sy mitady seza fotsiny araka ny litania ataon’ny mpitondra ankehitriny. Tanindrazana iombonana i Madagasikara, ka dia ho hita raha hanaraka ny fitakiana ataon’ny mpamatsy vola sy ny antoko politika mpanohitra ity fitondràna ity na mbola hinia hikimpy sy hiziriziry ihany. Ny fantatra aloha dia nosakanana hatramin’ny farany ny famelomamaso ny antoko TIM tany Soavinandriana, ny TGV kosa nomena alalana ara-dalàna, ka ny sefo distrika nandà mafy ny tsy hisian’ny hetsika politika tany Soavinandriana dia nanatrika ny hetsika nataon’ny mpomba ny fitondràna. Misy arak’izany ny fitondra-mitanila eto, hisy farany anefa ny zava-drehetra na ho ela na ho haingana…