EDITO 14 Mey – 13 MEY 1972 : mila maka lesona ny mpitandro filaminana

Sôh’son

Dia variana ny olom-pirenena nahita ireto lazaina ho « mpitandro filaminana » marobe, tao ireo anaty fiara, tao ireo nilahatra nifamezivezy tamin’ny araben’ny fahaleovantena omaly zoma 13 Mey. Ny tsy nahalala, dia nanontany tena hoe, fa misy inona, moa mikorontana ny tany sy ny fanjakana? Rehefa samy nisaina kely avy, izay vao nahatsiaro, fa nitsingerina ny andron’ny 13 Mey 1972, ary feno 50 taona katroka omaly ny hetsika nataon’ny mpianatra nanoherana ny tsy ara-drariny sy hitsiny mendrika ny fahaleovantena marina sy madio mangarahara. Hetsika nanoheran’ireo mahatsiaro fa voageja ity firenena ity ary olom-bitsy amin’ny mpiray tanindrazana ihany no miray petsapetsa miaraka amin’ny vahiny, indrindra ny Frantsay no manao izany. Ny taona 1971 dia efa nisy izany hetsi-bahoaka izany, tany atsimo, ary nisy ny aina nafoy, fa nisongadina sy vao mainka niha-mafy izany tamin’ity andron’ny 13 Mey 1972 ity.

Ny tsy azo ekena ao anatin’izany, dia miaramila malagasy ihany no sahy mandatsaka ny ràn’ny mpiray tanindrazana aminy taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena. Fa inona no fomba namolavolana azy ireo ho sahy ho tonga amin’izany? Moa ve hiditra ho miaramila na mpitandro filaminana, mba handatsaka ràn’ny mpiray tanindrazana? Adihevitra lehibe tokony horesahana mazava eto amin’ny firenena izany?

Mbola nitohy izany tranga izany taty aoriana. Moa niampita ny leson-dratsy ka lasa ifandovan’ireo nandimby nanaraka tao anatin’izany fitondrana fanamiana mitovy iraisan’izy ireo izany? Ankehitriny, rehefa mahita ireo mpitandro filaminana mivangongo eny amin’ny araben’ny fahaleovantena, indrindra amina tsingerintaona manan-tantara toy ny omaly, dia maha saropiserana ihany, ary mahakivy na mahasorena ny olom-pirenena ihany ny mahita azy ireny. Iaraha-mahalala mantsy ny antony mahatonga azy ireo ho eny amin’ireny toerana ireny, ary fahita mandrakariva izany amin’ny toe-javatra toy izany.

Ho an’ny maro, dia mametra-panontaniana ihany hoe: tsy mba mahatsiaro ho tomponanadraikitra tamin’ny fandatsahana ràn’ny mpiray tanindrazana tamin’ireny fotoana ireny ve izy ireo na dia hoe tsy nandray anjara tamin’izany aza? Sa minia mikimpy sy minia tsy mahalala ny nisian’izany fa an’ny zokin’izy ireo teo aloha izany? Ireto andiany am-perin’asa ireto ve tsy vonona hanarina ny fahadisoan’ny tany aloha, fa hanao izay atrehiny ankehitriny fotsiny dia izay mitranga eo na ho tonga amin’ny ratsy toy ny teo aloha indray aza? Fa iza no namolavola an’ireo hatramin’ny lehibeny? Aoka tsy ho hadinoina fa masina ity tanindrazana ity, ary manan-kasina ny vahoaka malagasy, fa izay tsy mitandro izany dia hizaka ny vokany.