EDITO 5 Mey – Hidona amin’ny andrinjiro ny firenena

Sôh’son

Sarotra sy mampanahy mafy ny lalan-koavin’ny firenena, raha araka ny dinika nifanaovan’ireo solontena samihafa momba ny lohahevitra ny amin’ny mpiasa, ny fanondrotan-karama, ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ary ny fidangan’ny vidim-piainana. Nambara fa raha mbola toy izay hatrany no ho fiasan’ny fitondrana, fa tsy hanova politikam-pitantanana, dia hidona amin’ny andrinjiro ny firenena. Asa firy amin’ny olona eo amin’ny fitondrana no mba nihaino ireny adihevitra tamin’ny fahitalavitra ireny ny alahady hariva lasa teo? Sy iza no mba nandray na ahoana no nandraisany ny hevitra na tolokevitra avy amin’izy ireo?

Misy loza mitatao ny firenena ankehitriny ary tsy hiandry fotoana ela izany raha ny zava-misy na hisy no sainina. Mazava loatra, fa ny voalohany amin’izany ny momba ny fiainam-bahoaka, izay rotehin’ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Tsy maintsy mbola hiakatra anefa izany tsy ho ela ary hamotika ny fiainam-bahoaka ho mafy kokoa noho izao efa misy izao. Miharihary fa niteniteny foana i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra nataony tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ireny, raha nampanantena vidin-javatra mora amin’ireo entana fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Ny itovian-kevitry ny maro, dia ny tarehimarika notanisaina amin’ny fanondrotan-karama natolotry ny filohan’ny Repoblika, dia tsy hahavaha ny olam-bahoaka velively, indrindra ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina, sy ireo maro an’isa tsy anaty orinasa mihitsy, fa mamelon-tena izay tsy voakasik’izany. Efa latsaka lalina loatra ilay olana, dia ny elanelana be misy eo amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fiakaran’ny karama na ny fivelomana, ary toy izay koa ilay fahantram-bahoaka.

Ny fitondrana anefa hita ho tsy hahavaha olana mihitsy manoloana izany. Efa nambara hatramin’ny ela teto amin’ny gazety, fa ny ataon’ny fitondrana Rajoelina dia toy ny mpitsabo manome fanafody parasetamôla ny marary voan’ny homamiadana. Tsy ho lasa lavitra araka izany ny fitsaboana ary tsy hahasitrana ny marary velively. Ny hany fanantenan’ny vahoaka sisa, dia efa nilaza ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa manana ny vahaolana amin’izany hanarenana izao manjo ny vahoaka izy, raha araka ny nambaran’ny filoha Nasiônaliny, Ravalomanana Marc, tany amin’ny faritr’Alaotra tamin’ny faran’ny herinandro teo, nanambara koa izy fa tena vonona fa tsy vonombonona hanompo ny vahoaka sy ny firenena, tena vonona hanavotra ny firenena.