Resaka karama – Fantaro ireo fisondrotana hatao

Aly

Nanambara ny fisondrotana karama hatao eto amin’ny firenena ny filoha Rajoelina ny alahady alina teo, tao amin’ny haino aman-jerim-pirenena. Raha ny nambarany dia toy izao ny fisondrotana hisy ary hanomboka amin’ity volana mey ity:
25% ny fisongan’ny karama ho an’ny kely karama.
13% ho an’ny sokajy anelanelany.
5% ho an’ny categorie 10.

250.000 Ar kosa ny karama farany ambany, ka ny fanjakana no handoa ny 30.000Ar, ny orinasa isanisany no handefa ny 220.000 Ar.

3 taona no tsy nisy ny fisondrotana karama teto amin’ny firenena, koa raha hatao ny kajy arak’izany, 8% mahery eo ny fisondrotana ho an’ny kely karama; 4% mahery no an’ny sokajy anelanelany ary 1,6% mahery eo ho an’ny be karama, ao amin’ny categorie 10.

Arak’izany, be am-pitenenana fotsiny io fisondrotan-karama nambaran’ny filoha io, fa rehefa natao io kajy io dia tena kely ny fisongany. Vao mainka kely ihany koa izany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ho avy noho ny hiakaran’ny vidin’ny solika, sy ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, sy ny saram-pitaterana koa.