Fampianarana ambony – Ataon’ny fitondrana Rajoelina tsinontsinona ny Oniversite

Beharo

Nanomboka tamin’ny herinandro faran’ny volana aprily teo iny, dia nohamafisin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka SECES sampana Antananarivo ny firosoan’izy ireo indray, amin’ny fanaovana “Oniversite sy foibem-pikarohana nasiônaly miankina amin’ny fanjakana maty”, mandra-pisian’ ny vaha-olana atolotry ny filoham-pirenena, ny anton’izany, manao tsinontsinona ny eny amin’ny Anjerimanontolo ny fitondrana Rajoelina. Itovizana amin’ireo sampana Seces manerana ny nosy io hetsika io, izay mamporisika ny fianakaviamben’ ny fampianarana, sy ny fikarohana ara-tsiansa, mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy.

Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nanao fitokanana ny fampianarana ambony tany Menabe tany i Rajoelina, izay hita sy tsapa fa fitokanana antenantenam-potoana, fikaroham-boninahitra, vonjy tavanandro tokoa, satria entina hanaronana ity “FENITRA ” manala baraka ny firenena ity. Ny herinandro lasa teo koa, dia mbola nisy sampana (sociologie ) nanao fanadinana teny Ankatso, ka nahatonga ny rehetra hiantsoantso hoe: ONIVERSITE SADASASA no misy amin’izao fotoana, ny andaniny nanao fanadinana, ny ankilany manao fitokonana, ry Rajoelina manao fitokanana, izay manimba ny anjerimanontolo tanteraka.

Araka ny vaovao azo avy Antsiranana koa, efa ho efa-bolana mahery no mitokona ny mpampianatra amin’ny Oniversite, tsy misy cours, tsy naharay tambin-karama sahaza hatramin’ny taona 2019, ary tsy mahazo ny hasina sahaza azy tanteraka raha ny antsoantso any an-toerana koa.