EDITO 3 Mey – Politika tsy mahasoa sy hahatsara ny firenena no iainana

Sôh’son

Mifatratra aiza ny firenena afaka andro vitsivitsy na maromaro eo? Fanontaniana misarika ny sain’ny olom-pirenena maro izany tato ho ato, indrindra amin’ny resabe mandeha momba ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika. Dia efa samy maminavina ny fiantraikan’izany amin’ny fiainana andavanandron’ny sarambabem-bahoaka ny rehetra momba izany. Ary ny adihevitra dia ny fanafody asetrin’ny fitondrana Rajoelina izany hanamboaran-tsaina ny vahoaka amin’ity resaka fanondrotan-karama ity, na ho an’ny mpiasam-panjakana, na ireo tsy miankina.

Ity fitondrana tsy mahita vahaolana mazava sy mahomby amin’izany indrindra rehefa amin’ny resaka efa lasa sarotra toy izao. Tsy maintsy hisy ny ho hadino ny sokajina vahoaka ary dia hifafa ny kihony ao anatin’izao fidangan’ny vidim-piainana efa nanomboka hatramin’ny tapaky ny taona lasa sy hatramin’izao, ary mbola hiha-mafy hatrany izany raha ny toe-javamisy. Io fitondrana io izay miseho ho mahay mitondra noho ireo teo alohany dia hiharihary, fa miana-draharaha hatrany handritry ny dimy taona amin’ny fe-potoana hiasany. Niaraha-nahita izany tamin’ireo tranga maro samihafa hatramin’izay tato anatin’ny telo mahery izao. Na izany tao anaty fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina ka nanatanterahana ny karazana fanampiana ara-tsosialy ny mponina; na tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ireny, na amin’ny fiatrehana ny fidangan’ireo vidin-javatra rehetra fanjifan’ny mponina andavanandro, sns… Misy hatrany ny lesoka indrindra amin’ny lafiny fandaminana raharaha fizarana.

Ny tena hain’izao fitondrana izao, miditra amin’ny fiandohan’ny volana izao, dia ny famoretana izay hetsika fitakiana rehetra mitranga amin’ny alalan’ny fampiasan-kery na dia miafina ao anaty lalàna na fahazoan-dalana aza izany. Tsy misy mahazo mihetsika eto fa izay miana-kendry, miaka-midina eny amin’ny mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana, na mpanao politika, na mpianatra; ary tratry ny ramatahora avokoa hatramin’ny mpitsabo, sy ireo sokajy teo aloha ireo.

Dia iaraha-mahita ny fiainam-pirenena sy ny sy ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy fiantraikany izany fomba fiasa sy politikan’ny fitondrana izany, na ankehitriny, na ao aoriana. Tsy mahasoa ny firenena anefa izany.