EDITO 28 Aprily – Ny momba ny mpitsikera, ny mpanohitra ary ny mpanasoketa

Beharo

Marobe ny “Tsikera ” ataon’ny fiaraha-monina ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, noho izy ireo tsy mba mihaino izay teny atsipin’ny vahoaka, sy izay mba manana toro-hevitra fa dia ny azy ireo irery hatrany ny azy, ka rehefa mampiseho izany ny rehetra indrindra fa ny antokom-politika dia lazaina fa mpanohitra foana.

Ny depioten’i Toamasina ohatra, Andriamatoa Roland Ratsiraka dia nanamafy, fa raha misy tsikera atao, na soso-kevitra atsipy dia tokony ho raisina ihany raha mahasoa, fa tsy tonga dia lazaina ho mpanohitra. Ny antoko politika sasany ihany koa, na ireo malaza ho mpanohitra dia tokony ho henoin-teny ihany raha manana vaovao tsara ambara fa tsy atao: halako bika tsy tiako tarehy foana raha vao manipy ny anjarany.

Ny olona manodidina an-dRajoelina toa an-dry Naivo Raholdina ohatra dia ny manohana be fahatany fotsiny no ataony, mitetika ilay fifidianana taona 2023 madiva ho avy io, ka mamporisika amin’ny ratsy sy ny tsy rariny atao amin’izany no ataony, manaratsy ny filohan’ny TIM, izay ambara fa be taona nefa toa tsy mijery ny taonan’ireo mpitondra teo aloha, toa ny amiraly Ratsiraka, Pr Zafy,… fony ry zareo teo amin’ny fitondrana eny fa na dia i dadabe Tsiranana aza, ka mieboebo fa ny tanora ihany hono, no mendrika hitondra nefa izy miantsoantso io mihitsy no be fitetika raha samy solombavambahoaka eto Analamanga: mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, manimba ambiansy amin’ny finoana Jesosy Mamonjy, mijery mitongilana ny ao amin’ny firaisana faha-5, tsy mba maka izay tsipin-kevitra omen’ny mponina, mba hampitaina amin-dRajoelina fa dia ny azy irery ihany no rariny sy ara-dalàna.

Raha fintinina dia mpanohitra daholo ve ireo mpanao tsikera? dia mba aiza ho aiza amin’ireny ny atao hoe: manara-penitra nefa na ny nataon’ i Lalatiana Rakotondrazafy tany Tsiroanomandidy aza efa mitady hampizarazara ny mpanara-dia ny mpanohana an-dRajoelina toy ny TGV, IRD, MAPAR… izay hita fa ireo mbola zandry olona foana, no mitady hanondrana amin’ny fanasoketana.