Fitondrana Rajoelina – Ny salobokomana sy ny kolikoly no tambaviny

Ny Valosoa

Iavahan’ny fitondrana ankehitriny tamin’ireo fitondrana efa nisy teto hatramin’izay ny fanaovana salobokomana, tsy manaja ny fangaraharana, ny dikan’izany dia fanaovana kolikoly mihoampampana.

Ny fomba fanao iraisampirenena, rehefa mivoaka any ivelany ny filohampirenena dia tsy maintsy manao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, manambara amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny mpampahalala vaovao ny antondia any ivelany, dia toy izany koa rehefa tonga antanindrazana, tokony tsy maintsy manao tatitra amin’ny vahoaka ny fototrin’ny dia tany ivelany, satria amin’ny anaran’ny vahoaka no nandehanana any ivelany, sady volambahoaka no miantoka ny sarandalana sy izay lany any amin’izay fitsidihana any, ary ny anaran’ny vahoaka no nentina nangataka fanampiana. Izany no antony mampisy ny “salon d’honneur” any amin’ny seranampiaramanidina , ny antsika malagasy dia malaza tsy ihinanana toy ny viliantsahona ny “salon d’honneur”, satria Ingahy Filoha dia miala ilany sy mitsoaka mpanao gazety rehefa hiala eny Ivato na tonga ihany koa, ka na misy aza ny fihaonana amin’ny mpampahalala vaovao, dia mpanao gazety efa voaomana ihany no tafiditra.

Ny nahatsikaiky aza tamin’ny taondasa dia narirarira tamin’ny fanenjehana ny Filohan’ny Fmf Rabekoto Raoul ny resak’Ingahy Filoha teny Ivato dia tsy voaresaka ny diany tany ivelany.

Mikasika ny dian’Ingahy Filoha tany Etazonia farany teo,dia mazava ny toromarika avy amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena, fa tena ilaina ary tsy maintsy atao ny vakisiny iadiana amin’ny aretina koronaviriosy, dia mazava izany f’Ingahy Filoha dia efa nahavita vakisiny, matoa afaka nivoaka tany ivelany sy noraisin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sehatra iraisampirenena, kanefa hatramin’izao dia tsy mbola niloabava tamin’ny vahoaka malagasy ity filohantsika nanambara fa izy dia efa vita vakisiny soa amantsara, porofon’ny tsy fanajana ny mangarahara izany sady endrikin’ny kolikoly ihany koa.

Mbola mikasika ny dian’Ingahy filoha tany ivelany ihany dia tsy hazavaina amin’ny vahoaka malagasy ny tena marina satria ny vola azo tany Etazonia anie ka tsy hamatsiana ny Pem fa natao ho an’ny tetikasa hafa. Mbola endrikin’ny salobokomana sy ny kolikoly koa izany.

Fa ny tena goavana dia ny fihaonan’Ingahy Filoha tamin-dRamatoa Alice Patterson Albright Tale Jeneralin’ny (MCC ) na ” Milleniumn Challenge Corporation” ny Alakamisy 21 Avrily 2022 tany Washington”, ka nilazan’ity tompon’andraikitra misahana ny fanampiana avy amin’ny fitondrana Amerikana ho an’ ireo firenena andalampandrosoana hiala amin’ny fahantrana, tsotra sady mahitsy ny nambaran-dRamatoa Alice Petterson Albright tamin’Ingahy Rajoelina , miezaha mafy aloha miady amin’ny kolikoly raha te hisitraka ny fanampiana avy amin’ny “MCC”, maharaka ny zavamisy eto Madagasikara ity Ramatoa ity matoa navoaka izany teny izany.

Efa hatramin’ny fitondrana tetezamita no efa tsy azo antoka Ingahy Rajoelina, ny sonia vita tamin’ny “Fifanarahana” tany Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria aza nivadihany, mainka fa amin’izao herintaona mahery kely mialoha ny ahataperan’ny fotoampiasany izao, tsy misy mangarahara azo antenaina na kolikoly inoana ho foana izany, fa dia hanao tsipakin’ny miala aina io fitondrana io, handrovitsihy faratampony, aleo hanao fa mety amintsika izany.