EDITO 26 Aprily – Mbola mila ampahafantarina zava-misy bebe kokoa ny vahoaka

Sôh’son

Mahavariana ireto mpanao politika manohana na miara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika ireto. Misy tokony hanao fifonanana amin’ny olona nataony tsinontsinona kanefa manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ary nahavita be lavitra noho izy, nefa mbola tsy nahavita izany hatreto. Tato ho ato anefa mahita holazaina indray kanefa tsy mitombona. Dia tsapa fa izay lazainy dia zary mihevaheva hatrany, ary mahasorena ny vahoaka izay misy ny distrika iandreketany.

Tato ho ato koa dia niseholany ny ampamoaka amin-javatra tiana na tokony ho fantatry ny vahoaka momba ny fitantanam-pirenena kanefa nafenimpenina fatratra tato anatin’ny taona maro, indrindra tato anatin’izao fitondrana izao. Mazava loatra fa tsy nipoitra izany toe-javatra izany, raha tsy niseho tamin’ny fahitalavitra nofidiany nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny olona mpiara-miasa akaiky amin’izao fitondrana izao na ny filohan’ny Repoblika. Miha mazava amin’ny olom-pirenena mpanara-baovao ny fandehan’ny raharaha eto amin’ity firenena ity ao anatin’izao fitondrana izao raha nandre ireny resaka samihafa tamin’ny haino aman-jery ireny, ary tena ilainy izany. Inona indray no mbola afenimpenina sisa? Mbola misy izany, satria, tsy misy ny mangarahara amin’ny fitantanana eto amin’ny firenena tato anatin’ny telo taona mahery izao. Tsy fantatra izay tohiny amin’ireo raharaha maro samihafa, toy ny raharaha volamena ao Afrika atsimo, ny tao amin’ny Nosy Kaomôro, sns; ny raharaha “doublon”, ny “écran plat”, ny “bonbons sucettes”, ny fanadihadiana momba ireo mpianatra maty tany amin’ireo Oniversité tany amin’ny faritany, ny momba ny raharaha teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana izay nanaovan’ilay “lanceur d’alerte” fitoriana eny amin’ny PAC sy Bianco, sns.

Mametraka sary sy lasitra ao an-tsain’ny olom-pirenena izany toe-javatra samihafa izany ary mamaritra ny fomba fiheverany amin’ity fitondrana ankehitriny ity. Miharihary, fa tsy sary tsara izany noho ireo zavatra noresahina tamin’ny haino aman-jery. Ny voaresaka dia naneho, fa resabe fotsiny ny fijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena, fa misy olom-bitsy, teratany malagasy, manao ampihimamba amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fiharian-karena eto. Nampiaiky volana ny olom-pirenena ny nandre izany ampamoaka izany, ary nisy fiantraikany amin’ny fomba fisainany. Misy famitahana bevava atao amin’ny sarambabem-bahoaka eo amin’ny fitantanam-pirenena ataon’izao fitondrana izao. Raha bangoina, maizina ny hoavy ho an’ny firenena sy ny sarambabem-bahoaka, fa ireo olom-bitsy ireo no migalabona amin’ny harena sy miezaka hatrany mangoron-karena eto. Tsy rariny sy tsy hitsiny izany. Mbola vao ampahany amin’ny tokony ho fantatry ny vahoaka ihany anefa ny zava-misy nambara ireny. Efa mba tsy tompon-trano mihono amin’ny ampahany izany ny vahoaka.