Tsy andron’ny kiandrakandrana – Andron’ny fanaovana politika matotra izao

Sôh’son

Mahavariana ihany ny mandre ny ambaran’ireo mpanao politika sasany sy ireo antoko politika « madinika », ny momba ny fiheverany ny zava-misy ara-politika eto amin’ity firenena ity. Izy ireo indraindray dia mihevitra fa manana ny firehana vaovao, sy fomba fijery politika tokony hampanjakaina na voizina ankehitriny. Ny manahirana aminy anefa, dia tsy miahotra izy ireo manaratsy ireo antoko politika lehibe na ihany koa ireo mpitarika azy. Ny fiheveran’izy ireo izany, rehefa haratsiana ireo dia hoe halam-bahoaka, ka ho voailika ahafan’izy ireo mahazo laka eo amin’ny sehatra politika. Efa aman-taonany maromaro no nisian’izany toe-javatra izany.

Tsy lavina, ilaina ny fomba fijery vaovao politika eto amin’ity firenena ity ary tena ilaina izany, satria tena misy efa lany andro sy lomorina nanimba sy nanapotika ary nampikorosy firenena izay mbola voizin’ny sasany ihany hatramin’izao. Mila ho fantatr’ireto milaza azy ho zavatra ihany koa anefa, fa tsy ny fanaratsiana ny hafa no hampisandratra azy. Hadisoana bevava izany amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, ary efa nahitana traikefa izany. Tsy amin’izany lalana izany mihitsy no hahafahana mahazo ny fon’ny vahoaka malagasy, fa ny hiafaran’izany, miafara any amin’ny famitaham-bahoaka toy izay hita nanomboka ny taona 2009 no mankaty. Dia izao iaraha-mahita izao no niafaran’ny firenena, izay tafahitsoka anaty olam-be.

Hamaivanam-paik’ady politika ihany ny fifikirana amin’izany, ary tsy mahalasa lavitra izay manao azy. Fa raha te-hisandratra ara-politika sy te hanasongadina antoko dia mila mitady fomba sy lalana tena tsara manafaka ny firenena ao anaty gejany. Hadisoana ihany raha ny mpiray tanindrazana no haratsiana, fa misy tokony hitodihana tanteraka izay fototr’izao olam-pirenena izao, ka tokony hifotoran’ny paik’ady rehetra atao. Raha mbola tsy manao izany, dia antoko politika ho maivan-kitsaka sy kely endaka hatrany ary tsy ho lasa lavitra, mba tsy ilazana hoe tsy mbola mahay sy manana politika mahomby hahasoa sy hahatsara ity firenena iombonana ity. Andron’ny fanaovana politika matotra izao, fa tsy fotoanan’ny kiandrankandrana sy ny tsy ampy traikefa intsony.