EDITO 23 Aprily – Seraseran’ny fitondrana – Miandry mpitondra teny matotra ny vahoaka

Beharo

Tamin’ny governemanta teo aloha dia efa nandrasan’ny maro hoe: inona no mba anjara fitenenan’ny minisitra Pierre Houlder, ati-tany amin’izao fotoana izao, izay voatendry ho mpitondra teny voalohany tamin’izany niaraka tamin’i Lalatiana Rakotondrazafy, ministry ny serasera, nefa dia tsy nandrenesam-peo mihitsy na dia zoma iray fotsiny ihany aza.

Ankehitriny dia mifampanontany ny rehetra hoe: iza indray moa no voatendry mazava hisolo io teo aloha io, fa dia toa ny omaly tsy niova hatrany no re feo matetika, tsy handrenesana tatitra mazava mikasika ireo ministera hafa, fa dia fanatsarana ny loko politika, fiarovan-tseza, deradera sy “Fidedahana ” araka ny filazan’ny tanora azy no misy.

Raha ny rariny sy hitsiny anefa dia tokony ho fantatra mazava, sy mba mandray anjara izay tompon’antoka amin’izany, nefa dia toa ny eo ihany no eo. Tatitra sy fampahafantarana ny vaovao ao amin’ny governemanta no andrasana, inona ny vaovao mandritry ny herinandro fa tsy fanehoana loko politika fotsiny hatrany, na rendrarendra sy fandokafan-tena foana izay hita soritra, fa propagandy mialohan’ ny fotoana sahady.

Raha izay rehetra izay no atao in-dray mijery, dia hita sy tsapa, fa mbola miandry mpitondra teny matotra ny vahoaka, mba hahafantarana ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena, fa tsy hamaivanina toa ireny, izany hoe atao toy ny raharaham-piangonana, vakiana ny avy any ivelany sy anatiny, alaina ambony alaina ambany, ary omen-danja ihany koa ny vaovao isan-tsampana na ny ministera tsirairay, raha ny governemanta no omena ohatra mazava amin’izany.

Tsy ho voafehin’ny ministra Lalatiana irery ny momba ny departemanta rehetra amin’ny governemanta, noho izany tokony hifandimby hiakatra amin’ny fandaharana isaky ny zoma, Tsy ho Tompontrano Mihono ihany ireo ministra isanisany, sa ministra tsangan’olona fotsiny ny ankamaroany?