EDITO 21 Aprily – Fitondrana Rajoelina : fitondrana miana-draharaha lava izao

Sôh’son

Ny fitondrana Rajoelina dia miana-draharaha lava izao tato anatin’ny telo taona sy telo volana naha teo amin’ny toerany azy izao. Fitondrana izay tsy mahafehy ny fitantanan-draharaha iandraiketany, fa ny sahaniny ao anaty sehatra samihafa itrangana olana dia tsy mifarana tanteraka amin’iny fa miverimberina hatrany. Ary tena manahirana matetika, dia misy olana goavana amin’izy ireny, izay miafara amin’ny famoizana ain’olona mihitsy.

Anisan’izany, ohatra iray, tsy adino ny nisian’ny ain’olona nafoy noho ny fahatapahan’ny jiro teny amin’ireo toeram-pitsaboana natokana ho an’ireo voan’ny ny valanaretina covid-19. Niseho izany ny taona voalohany niparitahan’ny valanaretina teto Madagasikara ny taona 2020. Dia noezahina novahana ny olana, na dia niafinkafina tamin’izany aza ny fitondrana, nilaza ho tsy tomponandraikitra. Mbola niseho indray anefa izany ny taona 2021, tamin’ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa ireny. Nitsaitsaika niàla moramora indray ihany koa ny fitondrana na dia teo aza ny fitarainan’ireo fianakavian’ny marary sy namoy aina.

Ny tranga vao tsy ela no manamafy ity toetran’izao fitondrana izao ity. Nahatratra 11 ireo olona maty an-drano tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska teo. Noho ny fitsangatsanganana teny an-dranomasina na an-dranomamy no nahatonga ny loza. Iray amin’izany ny nitranga tany amin’ny farihin’i Tatamarina Betafo, izay nisian’ireo olona nandeha sambokely nitsangatsangana teny ambony rano. Noho ny habetsahan’ny isan’izy ireo, izay nihoatra amin’ny isa tokony hoentina dia dobo ilay sambokely. Olona enina teo no namoy ny ainy tamin’izany. Dia tsaroana indray koa ilay nitranga tany Soanierana Ivongo, izay tsy mbola voalaza ho hita ilay mpanamory hatramin’izao efa am-bolana maro izay. Nilaza ho nandray fepetra ny tomponandraikitra ny tsy iverenan’ireny toe-javatra mampalahelo toy ireny intsony, kanefa miseho indray ity tany Betafo ity. Nahoana no tsy voafehy ny sehatra amin’ity fandehanana an-tsambokely mitondra olona maro ity eto amin’ny firenena? Dia hiseho hamoaka fepetra indray izao ny tomponandraikitra amin’ity sehatra ity, dia asa indray ny ho tohiny.

Santionany ihany ireo, fa misy tranga maro samihafa toy izany. Anisan’ny iray efa mampanontany tena ny maro, ohatra, ny fiverimberenan’ny trangana krizy eny amin’ny Oniversite eto, manerana ny Nosy. Miverimberina ihany koa ny olana rehefa miseho hitsinjo vahoaka amin’ny fizarana fanampiana tsy mahavita volana. Misy hatrany mantsy ireo voadingana na odian-tsy hita. Efa manangasanga ny hifaranan’ny fe-potoam-piasan’izao fitondrana izao, ary tsy misy antenain’ny sarambabem-bahoaka intsony ho amin’ny hihatsaran’ny fiainany. Eny, na dia nidehaka ho nahazo vola fanampiana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena aza Rajoelina sy ny ekipany any Etazonia any, tsy zoviana amin’ny maro intsony mantsy ny fomba fiasany. Marihana etoana fa ny vola ho azo avy any Washington dia mbola trosaina ny antsasa-manilany.