EDITO 16 Aprily – Vao miha saro-toerana ny fampanjakana ny rariny sy hitsiny

Sôh’son

Tena tokony hangina ve amin’ity sabotsy ity, raha raisina ny fomba fijery sy finoana kristiana, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena? Tokony hisy ve ny fitoniana paska na « trêve pascale » raha mahita sy mandre ny fandehan’ny fiainam-pirenena sy indrindra ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao. Anaty fahasahiranana lalina ny sarambabem-bahoaka ao anatin’izao fitondrana izao. Fitondrana izay nampanantena fatratra, fa hanandratra ity firenena ity ao anaty fotoana fohy, ary ho firenena tsy misy toa azy ho môdely mihitsy aty Afrika. Lavitry ny afo anefa ny kitay, ary « mbola ho ela », hoy ilay nifatotra, ny amin’izany raha ny zavatra hita tao anaty telo taona mahery nitondrany izay.

Firenena mitàna ny rambony hatrany amin’ny sehatra samihafa, ary mena-mitaha amin’ny firenen-kafa. Miendrika ravoravo natentina ihany ny hetsika samihafa fisehosehoana amin’ny any ivelany etsy sy eroa, toy ny amin’ny hetsika ara-toekarena tato ho ato. Tsy hahatafarina ny fahavoazana efa lalim-paka nanjo ny vahoaka aman-taonany anefa izany fihetsiketsehana izany, ary ato anatin’ny taona maromaro ambiny sisa amin’ny fe-potoana iasan’izao fitondrana izao, dia tsy azo antenaina intsony hahatafarina ny fiainam-bahoaka ho amin’ny tsara kokoa.

Toy ny nitranga tamin’ny fomba fitondrana tamin’ny tetezamita ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Na nandrombaka ny fitondrana tamin-kery aza Rajoelina sy ny ekipany tamin’izany, tao anatin’ny dimy taonan’ny tetezamita nentiny dia tsy nisy fihatsaràny ny fiainam-bahoaka. Toy izao ihany koa no mitranga ankehitriny, ary mbola maizin-kitroka ny hoavy, indrindra raha mahita ny mitranga ara-politika. Hihasaro-toerana hatrany ny fanehoan-kevitra malalaka sy ny fahalalahana miteny raha mahita ireo tranga roa niaka-nidina teny amin’ny toby mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana Anosy. Misintona ny sain’ny maro avy hatrany izany hisaina, fa manahirana eto amin’ity firenena ity, ny mijoro hanana fahasahiana hampibaribary ny tsy ara-drariny sy tsy hitsiny manjaka sy miha mahazo vahana hatrany. Tsy hahasoa ny firenena sy ny taranaka any aoriana anefa izany, fa ho loza mitatao aza.

Manoloana izany, sarotra ihany ny hangina na dia ao anatin’ny andro paska aza, ary ny andro paska rahateo fandresena ny aizina, dia ny aizin’ny fahafatesana izany. Ny fahalovana amin’ny endriny samihafa manjaka eto amin’ny firenena ary mampahantra ny vahoaka dia tara-pahafatesana izany.