“NAMANAO NY ZANDARY”

Namanao hoe ny zandary? naman’iza, hono, izany?
Sao dia naman’ny malaso sy ny jirika any ho any,
Ka dia kopaka isasahana ny azo tamin’ny fandrobana,
Fa izay ilay zava-misy sy malaza eto an-tanàna?

Namanao hoe ny zandary? naman’iza, hono, izany?
Namanao mpihetraketraka sy mpanosy ireo ambany,
Ka miandry baiko fotsiny dia manao ny tsy fanao,
Sy miaro hatrany ireo mpitondra tena tsisy kalitao?

Namanao hoe ny zandary? naman’iza, hono, izany?
Toa tsy namanay izay mponina amin’ny tanàna ambany,
Fa matetika no naman’ny vaventy sy ny ny ngeza
Efa hita ho tsy mahomby nefa manamafy seza!

Namanao hoe ny zandary? Tsara izany sady ekena,
Raha ho fitadiavan-dalana hampandroso firenena.
Saingy lavinay tanteraka ry mpitondra fanjakana,
Raha havadika ho fitaovana hanamparam-pahefana!

Namanao hoe ny zandary? Tsara izany nefa kosa,
Hainareo ve ny miaro ny malemy sy ny osa?
Tanindrazana, lalàna, izay no tarigetra tsarany,
K’aoka hijanona amin’izay f’aza lotoinareo ny anarany!

IRINA HO TAFITA (12-04-22)