14 aprily 2022 – Clemence Raharinirina – Voaantso eny Fiadanana (heloka bevava) ary avy dia ho tsaraina

Ny Valosoa

Eo anatrehan’ny fiazakazaky n’y antsonjay afitsoky ny fitondrana amin’i Clemence Raharinirina dia tonga maro sy mavitrika ireo mpanohana eny Fiadanana sy eny Anosy anio 14 aprily 2022.

Omaly no naharaisan’i Clemence Raharinirina fiantsoana avy amin’ny zandarimaria i Clemence ho tonga eny amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana anio amin’ny 8 ora maraina. Ary naharay filazàna koa ny tenany fa tonga dia ho tsaraina eny Anosy anio ihany.

Maro ireo solontenan’ny antoko TIM tazana eny: ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ny depiote Stanislas Randrianarisoa, ny depiote Todisoa Andriamampandry, ny mpanolotsaina CUA Lily Rafaralahy.

Antenaina fa tsy hitsy tsindry amin’ireo mpitsara ka afaka hanao ny asany ara-dalàna izy ireo.