EDITO 12 Aprily – Hetsiky ny taksi ny faran’ny herinandro teo – Voahosihosy indray ny demôkrasia

Sôh’son

Rehefa misy trangana toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena, ka isiana hetsika vondron’olona te haneho hevitra mafy eny an-dalambe na an-kianja, dia miharihary hatrany ny fomba fihetsiky ny fitondrana sy ny manam-pahefana eto amin’ny firenena, izay tsy mifanaraka hatrany amin’ny eritreritry ny vahoaka. Ny hita hatrany ihany koa amin’ny fotoana toy izany dia voahosihosy ny demôkrasia. Nilaza ny lehibe mpitarika ny mpitandro filaminana tamin’iny faran’ny herinandro iny, fa tsy azo atao ny manao hetsika an-dalambe manohintohina ny fiainan’ny hafa. Hafa iza io, ary tokony hipetraka ve izany?

Nahoana no any amin’ny firenen-kafa, toy ny any Frantsa izay mahafatifaty ny tomponandraiki-panjakana eto amin’ity firenena ity sy alainy tahaka fatratra tokoa, azo atao ny hetsika, ary tsy misy fandraràna toy izany? Toy izany koa vao tsy ela ny tao amin’ny Nosy Maorisy, nidina an-dalambe ny vahoaka ary nahazo nanao hetsika, fa tsy mandràra toy ny ataon’ny mpitandro filaminana eto ny ataon’ny any? Moa tsy maneho miharihary ve izany ny amin’ny firenena maha taraiky antsika sy verezin’ny firenen-kafa lavitra amin’ny fomba fanehoan-kevi-bahoaka?

Isika tsy ho môdely araka ny nambara sy nidedahana tany am-piandohana nandray fitondrana raha izao, fa ny hafa indray no hampianatra sy halaina tahaka. Nahoana no entina mihemotra ny firenena, fa tsy mba misy ezaka na finiavana ataon’ny tomponandraiki-panjakana sy manam-pahefana isan-tsokajiny hampandroso ity firenena ity sy ivelaran’ny fomba fisainan’ny vahoaka? Fa ny atao eto dia fanampempoana hatrany sy fanaovana ramatahora ilay vahoaka tsy ho sahy haneho hevitra malalaka. Entina mirefarefa ny fitantanam-pirenena. Ny faneriterena ny vahoaka toy izany dia tsy hampandroso sy hampivelatra na hampisaina lavitra azy. Miankina amin’izany anefa no lalana iray mahomby hampisandratra ity firenena ity.

Mazava loatra, fa mifanipaka tanteraka amin’ny politikan-dRajoelina ny amin’ny P.E.M izany ataon’izy ireo izany. Tsy atao hahagaga, efa ho telo taona mahery izao, mandrorona fotsiny ny asa fampandrosoana eto amin’ity firenena ity, fa tsy ahatarafana fahatsaram-piainan’ilay vahoaka. Ny ataon’ireo mitàna fahefana isan’ambaratongany izao, misy misintona hianatsimo, ny hafa eroa misintona hianavaratra; ny sasany mitarika hiankandrefana, ny hafa ery mandrirotra hiatsinanana. Olona iray ihany anefa no “tompoin”’izy rehetra ao anatin’izany. Dia izao ny manjo ny vahoaka, voageja amin’ny sehatra rehetra iainany eto amin’ity firenena ity. Tsy mahakasika ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra fanjakana rehetra isan-tsokajiny izany, satria ny fiainan’izy ireo voatsinjo manokana sy mahita tombontsoa ao anatin’izao fitantanam-pirenena sarotra sy manahirana ho an’ny vahoaka izao.