NY NIAKARAN’NY TOMPO AM-BONINAHITRA TAO JEROSALEMA

Tsy izy ilay mpanindrahindra ny tenany,
Na dia mpanjaka aza ity notsenaina,
Fa zana-boriky no mba notaingenany,
(Izay ilay voalaza fa nampanalaina!)

Tsy fihetsiketsehana manara-penitra,
Tsy haingo marevaka no nitsenana.
Tsy nisy “bebaoty” nanao porizenitra,
Fa dia vahoaka niventy ny “hosana”!

Tsy zavatra tena nomanina akory
Ny sampan-drofian’iretsy mpitsena.
Toa nanaporofo sy tena nitory
F’ilay notsenaina dia mpanetry tena.

Fianarana izany ho anareo ry mpitondra,
Variana, sodoka amin’ny hoerahoera.
Aza dia ny soavaly na koa hoe ny ampondra,
No atao idedahana sy aderadera.

…Tsy izay no ilaina amin’ity firenena,
Tsy izay ry mpitondra miseho ho maranitra.
F’ianao ilay miverina manetry tena,
Ary hitady ny tavan’ilay Andriamanitra!

DADAN’i ZINA (10-04-22)