ETO MADAGASIKARA, MISY VE NY FAHALALAHANA ?

Tsy mahita izay hiainana f’efa tena very saina,
Ka hatramin’ny vehivavy no samborina sy hazaina?
Fandresena mahamenatra ka tsy tokony hahafaly,
Izay ilay nobatainareo tery Ankorondrano omaly!

Izany hoe “fahalalahana”, efa zary tsisy intsony.
(Tsy ao anaty rakibolan’ny mpitondra ery ambony!)
Fa izay olona miteny sady sahy mba manakiana,
Dia misedra ny antsojay na koa mazàna ampijaliana.

Raha indreny fa mitsitra, tena maty ny parasy,
Fa nambananao mpitondra, notifirinao ny basy.
Dia hilaza ve ianao fa mbola tsisy toy izany,
Ka hifantoka aminao ny mason’olona eran-tany?

Eny, anananao “ny hery” ry mpitondra sahisahy,
Saingy izany tsy hahaleo sy tsy haharesy “ny fanahy”.
Omaly ianao nihirahira fa nibata fandresena,
Saingy miomàna kosa fa ny maina mbola ho lena!

Tsy haharitra ela akory ny hery izay anananao,
Fa na ny baomba na ny basy, tsy hampandresy lava izao.
Ka saino ihany ny aminao ry tia mampiasa herisetra,
Ny eboebonao, fantaro, tsy mitohy fa misy fetra!

IRINA HO TAFITA (10-04-22)