FAMPIDINANA FA TSY FAMERANA

Vidin-javatra indray no hoe kasaina mba hoferana?
Sao dia tetiky ny “donto” sy ny “tsy ampy fiheverana”?
Raha izany no mba paika, aza mino rey vahoaka,
Fa dia tena famitahan’ny mpitondra tsisy hapoaka!

Ny sinoa sy ny karana na ireo ngeza mpamongady,
Ireny hatrany no ho voky raha izay no tetikady.
Fa isika, mbola hiaina anaty fahantrana lalina,
Ary tena mbola hikitroka sy ho lava indray ny alina!

Fampihenana no takiana, fampidinana no ilaina,
Fa tsy rediredy lava ho fanodinana ny saina.
Tsy dia dondrona daholo isika gasy mianakavy,
Fa izao dia famitahana, ary koa ronono an-tavy!

Ka dia tsotra anio ny teny ho anareo izay “belazao”,
Dia ireo miandraikitra ny varotra ka manao ny tsy fanao.
Tsy hanova inona mihitsy ilay famerana kasaina,
Fa averina eto indray: ny fampidinana no ilaina.

TSIMIMALO (07-04-22)