EDITO 7 Aprily – Fitantanam-pirenena – Mitohy mifampiaro amin’ny ratsy ny mpitondra

Sôh’son

Tsorina mazava, fa misy mpitondra eto migalabona amin’ny harembe sy fiadanana manoloana ny fahoriam-bahoaka. Misy mihitsy aza no manarontsaron-dresaka sy manodinkodin-dresaka fotsiny amin’ny adihevitra amin’ny tranga samihafa ilain’ny vahoaka vahaolana maika. Izy ireo dia na vondron’olona mpanohana fitondrana, toy ny nitranga teo anivon’ny fivorian’ny filankevitra monisipaly, izay miaro ny efa hita tsotra izao fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Toy izany koa ny eny anivon’ny Antenimerampirenena izay ny ankamaroany tsy hita miaro ny vahoaka intsony sy mitondra ny feony, fa mangina avokoa. Ny eny amin’ny Antenimerandoholona dia efa iaraha-mahalala tsara rahateo, fa loholon’ny fitondrana ireo fa tsy loholon’ny firenena.

Ankoatra izay, hita sy re ihany koa izany amina adihevitra ataon’ireo olon’ny fitondrana. Mifampiaro amin’ny ratsy no saika hita sy re amin’ny fampitam-baovao samihafa ataon’izy rehetra ireny, ary alaviriny tanteraka ny fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka sy ny firenena. Tsy voahevitr’izy ireo sy ny fitondrana isolelahany izay hahasoa sy hahatsara ny vahoaka. Ny vahoaka izay mifafa ny kihony mihitsy eo amin’ny fiainany andavanandro noho ny fihetsik’izy ireo ihany. Asa izay mbola manaiky hofitahiny sy lalaoviny toy izao.

Fantatra anie ny zava-misy any amin’ny misy azy ireo, ny fiaimpiainany andavanandro izay tena zary maneso ny vahoaka tanteraka. Ho azy ireo, ny vahoaka dia azo ampiesonina, azo anaovana resabe mampandry adrisa amin’ny fampanantenana poak’aty sy anipanipazana kely amin’ny sakafo kely sy vola kely tsy mahavita iray volana akory hanampena-maso azy sy mba hangina. Mazava loatra fa famitahana tsotra izao, miharo fihatsarambelatsihy izany atao amin’ny vahoaka izany. Tsy rariny izany ary tsy hitsiny. Aza adinoina, fa manana ny hasiny ity vahoaka ity sy ny tanindrazana onenany.