EDITO 5 Aprily – Fitondrana Rajoelina – Tsy miraharaha ny taombaovao, kolontsaina Malagasy

Beharo

Gaboraraka tanteraka ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, izany no azo amintinana ity Repoblika faha-4 ity, hoy ny vahoaka sendra anay tamin’ ny fotoam-pankalazana ny taom-baovao Malagasy, ny zoma 1 aprily lasa teo iny. Tsy misy zavatra manakoako hita avy amin’ny mpitondra fanjakana, ho fanehoana sy fanomezan-danja izany taom-baovao Malagasy izany, nefa an’ny malagasy tanteraka hoy ny fanehoan-kevitry ny maro.

Toerana 16 manerana an’i Madagasikara, no nahitana hetsika sy fankalazana malaza, raha tokony ho ny firenena manontolo mihitsy, toy ireny fanao mahazatra isaky ny 31 desambra, hifoha 1 janoary ireny no zavatra tokony hisy. Raha ny tokony ho izy dia fanehoan-kevitra, kabary sy poezia izay efa manana ny lazany tato ho ato io andro io, andro tokony hanandratana ny maha-Malagasy, andro fanehoana fa iray marina Ra-malagasy, nefa mbola hita fa mitsitokotoko noho ilay kolontsaina gaboraraka, noho ilay ministry ny serasera sy ny kolontsaina tsy niraharaha izany fanamarihana izany. Tokony ho andro tsy niasana toy ny andro rehetra fety misy eto amintsika izany, ny fetin’izao karazam-bazaha rehetra izao aza ankalazaina eto amintsika ary natao ho andro tsy iasana, nefa nahoana ny taom-baovao Malagasy no tsy raharahahian’ny ministera tompon’andraikitra sy ny fitondrana Rajoelina?

Hita sy tsapa araka izany, fa manamaivana ny fampihavanana ny fitondrana Rajoelina, raha toa ka zava-dehibe toy ireny no tsy asiany hasina ny fotoam-pankalazana, andro lehibe tokony tsy hiasana, fa dia namaivanin’ ny mpitondra firenena tokoa. Ireo mpitana ny fomban-drazana avy amin’ny lafy valon’ny Nosy anefa, tonga nanamarika izany taty an-drenivohitra. Mibaribary tokoa fa tsy voafehin’ny mpitondra sy ambaniany ny kolontsaina Malagasy, sy ny maha-gasy ny gasy. Manampy trotraka izany ny fahasamihafana ara-politika, ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny tsy mitovy hevitra politika aminy, izay lafiny mbola tsy hahatafarina ny firenentsika mihitsy, raha izao ny fandehany.