EDITO 31 Martsa – Tokony handini-tena Rajoelina vao miteny fitiavan-tanindrazana

Sôh’son

Miditra sy misoka lalina ao anaty fahasahiranana mafy ny vahoaka malagasy ankehitriny, vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsahatra isan’andro vaky izao. Tsy misy afitsoka amin’izany ny fitondrana ary zary mitazam-potsiny amin’ny vahoaka entiny, izay « mifampihinana » eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy hita mihitsy ny fepetra noraisin’ny fitondrana Rajoelina, ifehezana izany ao anaty fotoana fohy. Maty ihany ilay sarambabem-bahoaka miaina fiainana izay tsy mbola fahitany hatramin’izay naha tany ny tany. Miharihary ny tsy fananana fahaiza-mitarika eo anivon’ny fitondrana. Maneho izany rahateo ny tsy fahaizana mijery sy mifantina olona hiara-hiasa, ka hahatafavoaka ny firenena ao anaty fahantrana lalina misy azy izao. Hatreto tsy tafavoakan’izao fitondrana izao ny firenena ary tsy misy ny fanantenana amin’izany, raha ny zava-misy sy hita amin’ny fomba fitantanana ny firenena sy ny vahoaka malagasy.

Etsy ankilan’izany, niseho hampita ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana amin’ny tanora, ny taranaka ny filohan’ny Repoblika raha niatrika ny 29 Martsa. Tena fitiavan-tanindrazana marina sy mifanaraka amin’ny maha malagasy tokoa ve no kasaina ampitaina? Izy izay nilaza, fa hanova ny tantara. Eto aza ny tantara amboamboarina sy atao izay ampifanaraka amin’ny tombontsoany sy fiarovan-tsezan’izy rehetra. Misy tantara aza indraindray simbaina, fa tsy voafehiny, toy ny resaka maritiora navarina teny Ampamarinana izay nodisoiny tanteraka. Ka fanilo toy inona no entiny ampitainy amin’ny taranaka? Sao hahavery ity firenena anaty fotoana fohy izany toe-javatra izany? Efa misy rahateo olom-bitsy mpanefoefo eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao miandry fotsiny ny igadonan’izany mba hahafahany manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena eto, izay efa anjakany amin’izao fotoana izao. Ka sao lahy hanafohy ny andro tokony ho lava ny raharaha?

Ny fitiavan-tanindrazana, dia tsy amboamboarina amin’ny seho ivelambelany fotsiny sy toy ny lamba tsy fitondra raha tsy amin’ny andro lehibe manokana. Miendrika fihatsaram-belatsihy izany ary famitaham-bahoaka tsotra izao. Fa ny fitiavan-tanindrazana iainana isan’andro io ary iaraha-miaina amin’ny vahoaka rehetra tsy an-kanavaka. Raha mbola misy mpiray tanindrazana aminao ataonao antsojay na ampahoriana na enjehinao, amin’ny endrika samihafa dia tsy fitiavan-tanindrazana izany. Indrindra, fa raha misy vahiny omena vahana noho ny teratany mpiray tanindrazana aminao. Koa tokony hamadika im-pito ny lela sy handini-tena lalina vao miteny fitiavan-tanindrazana. Fotoana rahateo iny andron’ny 29 Martsa iny ho fandinihan-tena, ary tokony nisy fepetra am-pahendrena noraisin’ny fitondrana nanehoana tamin’ny vahoaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka, ho fanafahana tanteraka ny firenena amin’ny mangeja azy, na ato anatiny io na any ivelan’ny firenena.