EDITO 26 Martsa – Mivily lalana ny fifandraisana amin’ny avara-pianarana

Sôh’son

Ity fitondrana Rajoelina ity dia fitondrana tsy afak’olana, izany hoe miaina ao anaty olana hatrany ny vahoaka entiny sy iandraiketany. Manao tohivakana ny olana, eny na dia efa voatendry aza ny mpikambana ao amin’ny governemanta « vaovao » fotoana vitsivitsy lasa izay.

Anisan’ny tranga tsy misy fiafaràny ny olana eny amin’ny Anjerimanontolo. Ary ny hita, dia tsy avy amin’ny minisitera misahana azy ihany na ny fitondrana no mampipoitra ny olana, fa misy ivelany ihany koa. Anisan’ny iray amin’izany ny avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny Hcc, izay namoaka didy mifanohitra araka ny nambaran’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eo anivon’ny Seces. Nambaran’izy ireo mihitsy, fa mahamenatra sy manala baraka ny firenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny nataony, ary tsy eken’izy ireo. Tsy hiditra lalina amin’izay isika, fa ny nanaitra ny saina dia ny filazan’ny Seces fa hanao « Oniversite maty » ao anatin’ny roa andro izy ireo amin’ny volana aprily iny. Midika tsotra izao ho fisian’olana eny amin’ny Anjerimanontolo izany fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo izany.

Oniversité tsy afak’olana. Vao tsy ela izay no nisy hetsika fitokonana nataon’ireo mpianatra, tsy teto Antananarivo ihany, fa hatrany amin’ny faritany ihany koa. Niezaka namono afo ny minisitera nanoloana izany. Ny mahavariana, dia tonga hatrany amin’ny fisamborana sy indrindra ny fampiakarana fitsarana ary ny fanasaziana mpianatra izany. Izany ve no heverin’ny mpitondra fanjakana hitaizana ny tanora avara-pianarana eto amin’ny firenena. Izy ireo izay lazaina hatrany fa hoavin’ity firenena ity. Sao fitaizana mankany amin’ny fizàrana hampiasa herisetra izany rehefa mihazona andraikitra.

Maneho, tsy fahaiza-mitondra ny tanora malagasy izany, raha tsy misy afa-tsy fampiasan-kery, toy ny daroka lakrimôzena, fisamborana, fampiakarana fitsarana ary fanasaziana no hany mba hitan’izao fitondrana Rajoelina izao. Ny fampiasan-kery, dia midika ho tsy fananana fomba hafa intsony entina mamaha olana iray. Midika ho tsy fananana traikefa ihany koa izany. Hisy vokany any aoriana anefa izany, izay tsy hahasoa velively ny firenena. Tsy hihevitra ho tomponandraikitra amin’izany indray koa anefa ny fitondram-panjakana ankehitriny, fa hiala bala hoy ny fitenin-jatovo izay.