FITOKONANA NO ANDRASANA ?

Tsy ho taitra ve ‘nareo raha tsy efa misy fitokonana,
Ry mampiesona malaza, mpampatory am-pitsanganana?
Tsy ao an-tsainareo mihitsy izany hoe fahavononana
Mba hamaha ny olam-piainan’ireo ory sy tsy manana?

Ny hangorona hatrany, izay no hany imasoana,
Ka rehefa be ny azo dia tsy misy mampanahy?
Hahazaka inona àry raha mipaika ny fotoana
Hiverenana ho vovoka ao ambany rangolahy?

Tsy ho taitra ve ‘nareo raha tsy efa misy fitokonana
Hahenoana antsoantso sy kodiarana nodorana?
Ary ny hany vahaolana dia mazàna fandrahonana
Nolaroina herisetra sy karazam-pisamborana?

Moa tsy misy fomba tsotra hisorohana an’ireny,
Fa toa ny kilaingalainga no matetika mibahana?
Sa nivily any amin’ny tsy izy na napetraka ho teny
Ny amin’ny vola fanampiana marobe izay nidedahana?

Raha misy dia zarao, fa raha tsy misy dia mitsora,
F’hatrizao ny lamasinina toa mihisatra, tsy miainga.
E misosa ny fotoana k’aza miandry ny ho voakora,
Ry mpampiesona malaza sady tena tranon-dainga!

Anio dia mbola ho avy indray ny fivelezana vilany,
Fampiasana kiririoka, f’efa feno ny kapoaka.
Vidim-piainana misondrotra: vahaolana amin’izany
No tadiavo izao dia ‘zao fa sasa-miandry ny vahoaka!

IRINA HO TAFITA