EDITO 24 Martsa – Sosialin’ny mpiasa : fotoana fijerena akaiky ny fiahiana azy izao

R.Philémon

Raha ny zava-misy re teo anivon’ny tahirim-pirenena ho amin’ny fitsinjovana ara-tsosialy na Cnaps, dia ny hafa ivelany no voatohana bebe kokoa noho ny mpiasa mandrotsaka latsakemboka isam-bolana hiahiana ny fahanterany. Voalaza fa volabe no nomena na nampindramina etsy sy eroa amina orinasa, kaominina, fikambanana, sns… Tena hanao izany marina ve ankoatra ny fiahiana, ny fisotroan-drononon’ny mpiasa no antom-pisian’io tahirim-pirenena iray io?

Ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina no mandrotsaka latsakemboka isam-bolana, miàla amin’ny karamany efa kely aza, ao amin’ny Cnaps. Mazava loatra, fa izy ireo no mandray vola fisotroan-dronono ao rehefa tonga ny fotoana amin’izany. Misy ihany koa, ankoatra izany, ny volan-jaza raisin’ny zanaky ny mpiasa mpikambana, sy ny mikasika ny vokatry ny loza eo amperin’asa. Hatraiza anefa ny fisitrahany izany araka ny tokony ho izy?

Voalaza sy iaraha-mahalala tsara, fa tena ambany ny vola raisin’ny mpiasa eo amin’ny fotoana fisotroan-dronono kanefa ny fikarakarana ny antontan-taratasy ahazoana izany tena be dia be, sy ela vao vita ary tena manahirana tokoa. Mampitaraina ny maro izany nandritry ny efa fotoana ela, fa tsy hita ho nisy vokany. Olona, mpiasa reraka tamin’ny fotoana niasana mbola sahiranina mafy ihany amin’ny resaka taratasy, mba hahafahany mahazo fankasitrahana ho setrin’ny taona maro niasany. Ny hafa tsy nitatatra anefa ery ankilany no ambara ho mikirakira sy misitraka izany vola narotsaky ny mpiasa tao izany.

Tsy tokony ho adinoina velively koa na odian-tsy hita, fa misy anie mpiasa niasa tamina orinasa nanapahana ny karamany nandritry ny fotoana niasany narotsaka ao amin’ny Cnaps. Maro amin’izy ireny anefa avy eo no miàla antenantenany amin’ilay orinasa na nikatona ny orinasa niasany, dia avy eo tsy niasa intsony amina orinasa, fa nanao fiveloman-tena manokana. Tsy misy resaka ny momba azy ireny ao amin’ny Cnaps. Izany hoe toy ny very vola fotsiny na nanome vola ny Cnaps, mba homeny hamelomana ny hafa ivelan’ireo mpiasa. Sao dia tsy rariny loatra izany, fa mila mba tokony hojerena akaiky ihany. Toy izany koa ny fampitomboana ny vola fisotroan-drononon’ny mpiasa, fa ambany loatra. Antony iray lehibe mampahantra ny firenena izany.