EDITO 22 Martsa – Fitondrana Rajoelina – Mihisatra avokoa ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainam-pirenena

Sôh’son

Saika misy olana na mihisatra avokoa ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Zara fa mihetsika izay afa-mihetsika amin’ny asa kasihin’ny fitondram-panjakana. Tsikaritra ho tsy maharitra anefa izany, fa fotoana kely ihany dia mikatso indray. Tranga iray amin’izany, ohatra, ny zava-misy eny amin’ny Anjerimanontolo. Mitranga ny olana, miseho ny fitokonan’ny mpianatra eny Ankatso indray tato anatin’ny andro vitsy izao, ary manambana na miseho toy izany koa ny eny amin’ny polyteknika Vontovorona, rehefa noezahina noporetina tsy hihetsika tamin’ny alalan’ny fisamborana mpianatra sy nihazonana azy ary fampakarana fitsarana. Mpianatra manao fitakiana ny hahatsara ny momba azy, miafara amin’ny fiakarana fitsarana. Milaza hatrany anefa ity fitondrana ity, fa mitsinjo ny tanora Malagasy. Tsy izany no atao hoe mpitari-bato vilam-bava ve? Izany no atao amin’ireo lazaina hatrany hoe hoavin’ity firenena ity. Tsy amin’ny toy izany velively no fomba hitaizana ny tanora raha te-hanana olom-banona any aoriana isika.

Sehatra eo amin’ny fampianarana izany ary santionany ihany ao anatiny, fa saika ny sehatra rehetra mihitsy no tsy mikoriana, ary tsy ahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana hentitra sy mazava ary anaty fotoana fohy tato anatin’ny telo taona mahery nitondrany izao. Sahirana amin’izay hampihodinana ny kodiarana ny fitondrana satria ny môtera mihitsy no voa, tsy mihodina. Raha ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka ny fiainam-pirenena, dia manao izay ampihodina ny fitantanam-panjakana sisa no ataony, eny fa na dia novaina aza ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Io rahateo koa anefa, dia niaraha-nahita, fa tsy tena nisy fiovàna lehibe akory, ary ny sasany vitsivitsy nahitana lesoka mody nafindra toerana fotsiny. Misy koa efa noesorina tany aloha, fa tsy nahavita sy nisy lesoka be, dia naverina ho minisitra indray. Izay no nahatonga ny maro nanontany tena hoe: moa tsy manana fa lany manam-pahaizana ity firenena ity? Midika ve izany fa miha-tampina ny daomy ho an’ny fitondrana Rajoelina, ary miha- tampin-dalan-kaleha ankehitriny? Ny sahanina tsy mihodina, ny ekipa mpiara-miasa mpanatanteraka tsy hita ho mahavaha olana sy hahavita hanatsara ny fari-piainam-bahoaka mandritry ny fe-potoam-piasana. Inona intsony no ho vitan’ireo ato anatin’ny 18 volana amin’ny fanovàna ny fiainam-bahoaka hihatsara kokoa.

Fitondrana tsy haharesy ny fahantrana manageja sy mamono ny vahoaka andro aman’alina na dia miseho ho miasa sy milaza ho efa nahavita aza. Ny any amin’ireo olom-bitsy mpanohana sy mpisolelaka miara-dia aminy ihany angamba, no ambarany amin’izany, fa tsy mahakasika ny sarambabem-bahoaka, maherin’ny 90%, velively izany. Raha ho an’ny mpampiady akoho dia miandry sarahana sisa izao fitondrana izao, satria efa resy tanteraka, tsy hitany intsony ny lalan-kombana.