Pr Narison Stephan – 0,0000000001 s tao aorian’ny niforonan’izao tontolo izao no efa fantatry ny olombelona

Isambilo

Eo amin’ny sehatry ny fikarohana, mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana Profesora Narison Stephan mpampianatra mpikaroka momba ny fizikan’ny angôvo avo, na fizika nokleary, na Physique des Hautes Energies. Nisy ny kaonferansa nataony, ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny olona rehetra liana momba ny fizikan’ny angôvo avo na angôvo ambony teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso, ny herinandro lasa teo.

Araka ny nambaran’ity manampahaizana manokana, mpampianatra mpikaroka eto Madagasikara sy any Frantsa, ary any Suisse ity; 0,0000000001 s (segôndra) (10 puissance moins 10 secondes) tao aorian’ny niforonan’izao tontolo izao, no efa fantatry ny zanak’olombelona ny momba azy ny amin’ny fiforonan’izao tontolo izao izay. Izany hoe 0,0000000001 s tao aorian’ny nisian’ny Big Bang ka niforonan’izao tontolo misy antsika ankehitriny izao. Izany hoe, efa azo lazaina ho fantatry ny olombelona ankehitriny ny niforonan’izao tontolo izao, sy ireo potika na particules mandrafitra ny raha na ny matière eto amin’ity tontolo iainantsika ity.

Izany dia vokatry ny fikarohana, ataon’ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena miasa sy mikaroka ao CERN: Centre Européen de Recherche Nucléaire, na foibe eôrôpeana momba ny fikarohana nokleary any Genève any Suisse, ahitana ny fanafainganana ny potika, na accélérateur de particules, anisan’ny lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao. Mpikaroka maro eto amin’izao tontolo izao no miasa ao, anisan’izany ny Malagasy, tsy mbola misy ao kosa anefa ny Afrikana. Hafainganina amin’izany toerana izany, amin’ny faribolana mirefy 27 km ny potika prôtôna, ka hampakarina amin’ny angôvo avo na ambony be izy ireny, avy eo dia ampifandonina, ny vokatr’izany fifandonana izany no nahitana ireo potika farany kely amin’izao fotoana mandrafitra ny raha (matiére) dia ny quarks karazany 6, sy ny leptôna miisa 6 ihany koa ary ny netrinôna.

Voka-pikarohana hafa maro ihany koa no hita avy tamin’izany, toy ny fitovian’ny hazavana sy ny fampielezan-tsandrahaka na radioactivité, rehefa mahazo angôvo ambony ny potika (pariticules) manana hafainganam-pandeha mitovy amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana. Anisan’ny hita tany CERN ny internet, ny facebook, ny page web,… Liana tamin’izao famelabelarana nataon’ny Pr Narison Stephan izao, ireo tanora mpianatra niatrika izany, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.