19 Martsa – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao:
Zoma 18/03/2022

Ho an’ny Tompon’ andraikitra eto @ GAZETY VALOSOA – TANA

Tompoko,

Miala tsiny raha manao ity faneoan-kevitra ity aty aminareo ny Tenako noho ny zava-misy eto @ Firenena ankehitriny, izay somary mahavaka ny saina ny mahita azy, heverin’ ny maro tokoa ho bitika angamba ny momba azy ka tsy dia misy miraharaha kanefa dia hita fa miainga eny ny fampandrosoana tsy inona izany fa ny FOKONTANY?

Tsy mazava tokoa ny momba azy io ary hita fa tena feno gaboraraka sy fanaovana ny tsy rariny eny anivon’ ireny fokontany ireny ankehitriny, tsy mazava koa ny ara-bola eny?

Hitanay izao aty aminay fa misy zavatra tena tsy mazava satria na ny fitantanam-bola aza tsy mazava? Ary inoako fa maro ny tranga toa izany eto TANA, koa dia hanairana ny Maro izany.

Misaotra betsaka tompoko.

RANDRIA Honorat
AMBOHIMIRARY/ TANA V