EDITO 19 Martsa – Mila alamina ny fitantanam-bahoaka sy ny fifidianana

Sôh’son

Mihazakazaka ny fitomboan’ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Vao mainka hita soritra tsara izany tranga izany raha ny eto amin’ny faritr’Antananarivo sy ny manodidina no jerena. Ny tsikaritra amin’ny tanàna anaty kaominina sasany, tato anatin’ny taona vitsy monja, dia misy olona na fianakaviana vaovao miorim-ponenana na amin’ny trano fonenana vaovao naoriny na manofa trano. Ny tsikaritra ihany koa anefa, dia ireo trano mihofa tsy ambony sarany, no maro mpitady sy mora mahazo mpanofa trano. Ireo trano ambony hofany, dia misy fotoana kely ihany vao mahazo mpanofa. Azo itarafana tsara ny fahantran’ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao izany zava-misy izany.

Ny tranga momba ny mponina io, dia hita ho tsy voafehin’ny fitondram-panjakana. Porofo maneho izany, ny fitomboan’ny tsy fananan’asa, ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny fikoroso fahan’ny fiainam-piarahamonina, sns… Ny fifehezana ny fanisana handrafitra ny lisi-pifidianana iaraha-mahita ny lesoka efa nitranga sy ny amin’ny mety mbola hisian’izany amin’ny fotoam-pifidianana ho avy manaraka. Miseho ho hanafoana ny lesoka nisy ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, sy hahavita tsara lavitra noho ny teo alohany. Toa resabe ihany anefa izany raha ny fahenoana ny nambaran’ireo mpikambana mitondra teny indraindray. Ny mpitondra fanjakana rahateo hita miafina tsy miseho ho tomponandraikitra na dia fantatry ny mpanara-baovao, sy mpandinika fiainam-pirenena ihany, ny dian-tananany ao ambadika. Tsy mila hazavaina intsony fa efa fantatry ny maro ny paipaik’ady maro samihafa ataony efa am-bolana maro izay.

Mbola misy olom-pirenena, mponina mora azo fitahina ihany ve hiditra amin’ny fifidianana manaraka ho avy tsy ho ela? Efa be izay voafitaka izay tamin’ireo fifidianana natao farany teo. Niharihary ny fampanantenana poak’aty natao nandritry ny fampielezan-kevitra hakana fahefana. Niseho tsara izany na eo anivon’ny firenena na eo anivon’ny renivohitr’i Madagasikara. Mila miezaka hatrany, na efa nanao hatramin’ny fotoana ela aza, ny mpanohitra amin’ny fanazavana sy fitaizana ny saim-bahoaka, mba tsy ho tratry ny “velam-pandriky” ny fitaka bevavan’ny olom-bitsy tsy mahalala afa-tsy fikatsahana ny tombontsoan’ny tenany sy ny fianakaviany na ny mpiray antoko aminy. Raha tratra izay tanjona izay, hisy fiantraikany amin’ny fihatsaran’ny hoavin’ity firenena ity.