17 martsa 2009, ny tantara tsy fanadino – Tena fanonganam-panjakana no nataon-dRajoelina sy ny forongony

Niaina

Ny tantara tsy fanadino, 13 taona lasa izay ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina sy ny forongony, tamin’ny 19 martsa 2009. Iny zavatra mamoafady nataon’izy ireo iny no mampitontongana amin’ny lafiny rehetra ny zava-misy eto Madagasikara hatramin’izao, fahapotehana eo amin’ny lafiny rehetra.

Daty manandaza sy manan-danja eto amin’ny Firenena ny andron’ny 17 Martsa. Tsara raha tsiahivina ny tantara, tsy adinoina ary tsy disoina. Feno 13 taona afak’omaly, ny fametraham-pialan’ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA, taorian’ny tery sy fandrahonana nataona andian-tafika nikomy sy nanampy ireo mpanongam-panjakana tamin’ny hetsika 2009. Izany dia nialohavan’ny fakàna fahefana teny an-dalambè, fanendrena governemanta tetezamita teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, fandrobàna: Alatsinainy Mainty 26 Janoary, fitondrana andian’olona nanafika ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra ny 7 Febroary, sns…

Rehefa avy naka ny Lapan’Ambohitsirohitra ny alin’ny 16 Martsa 2009 ireo andian-tafika mpikomy, tamin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana norobaina tao amin’ny Etamazaoro dia nanao hazalambo ny Filohampirenena sy ny fianakaviany. Voatery nanao fanambarana araka izany ny Filoha Marc RAVALOMANANA ny antoandron’ny 17 Martsa 2009 tao Iavoloha : nandray ny Didy hitsivolana fanolorana ny fitantanana feno ho an’ny ”Directoire Militaire”, natao teo anatrehan’ny Ambasadaoro vitsivitsy sy ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana, Tiebélé Dramé.

Nitsimbadika tanteraka anefa ny raharaham-pirenena satria ny tolakandron’io, rehefa nampivory an’ireo mpitarika 4 ao amin’ny FFKM 4 ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena na Comunauté Internationale, notarihan’i Tiebelé Dramé sy Ouedraougo, niaraka tamin’ireo manamboninahitra ambony 3 voatendry hitantana ny Directoire Militaire amin’ny maha “Anciens des plus hauts gradés” azy ireo dia ny Vice-Amiral Hyppolite Ramaroson, ny General de division Ranto Rabarisoa sy ny General. de division Razafindralambo Rivo,… rehefa nanao fanambarana ofisialin’ny Directoire Militaire ry Ouedraougo. Fanambarana izay notsipahan-dRajoelina hatramin’ny farany, ka nivoaka ny trano fivoriana izy sy ny ekipany.

Raha tsiahivina dia nanatrika izany fivoriana tao Antanimena izany ny General de division de la gendarmerie Ramananarivo, Andry Rajoelina, Monja Roindefo, Ny Hasina Andriamanjato, ny kolonely Rakotonandrasana, ny kolonely Ndrianarijaona sy ny officiers vitsivitsy, niaraka tamin’i Ratsirahonana Norbert Lala.

Baiko azon’ny manamboninahitra lefitra notarihan’ny kolonely Charles Andrianasoavina tamin’izany, ny tsy maintsy hanerena ireto manamboninahitra faratampony ireto, mba hanolotra ny fahefana ho an’i Andry Rajoelina.

Nisy arak’izany, ary teo anatrehan’ny Communauté Internationale sy ny mpanao gazety maro, ny fakana an-keriny ”kidnapping”, namoahan’ireto farany ireo lehibena foloalindahy nahazo fahefana sy ny mpitarika ny FFKM tao anaty efitrano fivoriana.

Nentina teny amin’ny toby CAPSAT izy ireo, nambenana am-bava basy, noterena hanao sonia sy hamaky ny fanambarana mitsipaka ny Directoire Militaire, ka manome ny fahefana feno ho an’i Andry Rajoelina.

Tanatin’izany anefa dia niharan’ny herisetra tamin’ny endriny rehetra ireto lehiben’ny tafika sy mpitarika fiangonana ireto, anisan’ny tena nizaka fampijaliana tsy takatry ny saina aman’eritreritra tamin’izany ny Pasitera Lala Rasendrahasina filohan’ny FJKM. 13 taona aty aoriana, miha-milentika ny firenena, ary efa be ireo nanenina tamin’iny fanonganam-panjakana mamoafady tamin’ny 17 martsa 2009 iny. Tamin’io andro io koa no niala teto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana mianakakavy, herinandro tao aorian’izay izy ireo vao fantatra fa tany Swaziland no nisy azy, ary nifindra tany Afrika Atsimo avy eo, hatramin’ny 13 oktobra 2014 niverenany an-tanindrazana indray. Ny nialany teto, n any fiverenany teto hatramin’izao dia mbola misitery avokoa.