EDITO 17 Martsa – Ampanjakao ny rariny sy hitsiny dia hisandratra ny firenena

Sôh’son

Manjaka tokoa ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ity firenena ity, raha ny trangan-javatra maro samihafa re sy hita etsy sy eroa no jerena. Tranga iray nanaitra ny maro, indrindra fa ireo mpiasa sy niasa tamin’ny orinasa tsy miankina, ny momba ny fampiasana sy ny fitantanana ny vola tao amin’ny Cnaps, izay nivoaka tamin’ny haino vaky jery. Raharaha izay nitranga tao ho ao, niakatra teny amin’ny fitsarana sy teny amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly. Ny nanaitra ny maro dia ny amin’ny filazana, fa ny mpiasa miasa mafy any amin’ny orinasany any ary boriana ny ampaham-bolany isam-bolana arotsaka ao amin’ny Cnaps, hitsinjovana ny fisotroan-drononony amin’ny fahanterany. Karama efa kely mbola nanapahana izany, tsy maninona raha mandeha amin’ny ara-dalàna ny fitantanana azy. Tsy izany anefa, fa ny re dia nambara fa misy ireo tsy misasatra mitatatra na mitavana sy zary toa migalabona amin’izany volan’ny mpiasa madinika izany. Eo ilay tsy rariny sy tsy hitsiny. Malagasy manambaka ny mpiray tanindrazana aminy io ary tsy miahotra manao izany fomba ratsy izany. Fiainam-bahoaka tsy milamina izany, ary andrasana ny famahana izany olana izany ankehitriny ao anatin’izao toe-draharaha mafana eo anivon’ny Cnaps izao.

Tranga maro samihafa no isian’ny fanjakan’izany tsy filaminam-piarahamonina izany tato anatin’ny taona maro izay. Ny fanjakana tsy hita ho manam-piniavana hamaha ny olana sy hanafoana izany toe-javatra mitsentsitra ny hatsembohan’ny hafa izany hatreto. Fitondrana izay variana amin’ny zavatra hafa, indrindra ny resaka kajikajy politika. Dia tavela eo ny resaka momba ny fiahiana ny olom-pirenena tsy an-kanavaka, fa izay heverina hahafahana mihazona ny toerana sy ny tombontsoa ihany no tsipatsipazana vola kely hanampena-maso azy. Tsaroana mandrakariva ny teny mahitsy nataon’ny profesora James Ratsima, fa ny fitondrana mihitsy no manao izay isian’ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ity firenena ity. Tsy mahasoa ny firenena sy ny hoaviny velively anefa izany, n’inona n’inona ezaka ataon’izao fitondrana izao amin’ny lafiny fampandrosoana. Manan-kasina mantsy ny Malagasy sy ny taniny na dia eo aza izao mitranga ankehitriny izao.