EDITO 8 Martsa – Ahiana mbola hitohy ny gaboraraka amin’ny harem-pirenena

Sôh’son

Efa manova ny fiheveran’ny olom-pirenena ankehitriny ny zava-misy eo amin’ny fiainam-pirenena. Fiheverana izay mifototra amin’ny tsy fifampitokisana intsony amin’ny fitondrana. Manoloana ny fanokafana ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara nanomboka ny 5 martsa lasa teo ilay fanehoan-kevitra. Manahy mantsy ireo manana izay fiheverana izay, ny amin’ny ahiahiny ny hitomboan’ny baranahiny kokoa noho ny teo aloha tao anaty ny nambara ho fanakatonana ny sisintany sy ny habakabaka noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ady amin’ny valanaretina covid-19. Niaraha-nahalala tsara mantsy ny amin’ireo bolongam-bolamena maromaro amin’ny kilao mivoaka migorobaka ny seranam-piaramanidina ka any ivelany vao tratra tato anatin’ny taona vitsy izay. Malaza amin’ireny ny raharaha volamena voageja atsy Afrika atsimo, sy ny ao amin’ny Nosy kaomôro, sns. Hatramin’izao tsy mbola hita ny tohiny sy ny iafaran’ny raharaha ary ny fitondrana zary tsy andrenesam-peo.

Santionany amin’ny raharaha famoahana ny harem-pirenena sarona ireo, fa ny olom-pirenena dia mahafantatra tsara ny amin’ny fahamaroan’ireny mivoaka eto amin’ny firenena. Manaporofo izay, ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomôro, izay nanambara, fa efa im-betsaka ny tenany no nivezivezy tao momba izay resaka bizina maloto izay. Midika tsotra izao izany, fa mbola tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ary efa nandritry ny taona maromaro izany.

Raha ireo sarona ireo fotsiny anefa no mba nandeha tamin’ny ara-dalàna ka nisitraka azy ny firenena dia efa nahafahana nanetsika asa fampandrosoana lehibe teto ary nahita tombontsoa ny mponina. Raha araka izany anefa, dia olom-bitsy, anaty tambazotra ihany no mamoaka ireny harem-pirenena ireny ary izy ireo ihany no migoka ny tombontsoa amin’izany. Tsy rariny sy tsy hitsiny izany, kanefa dia mangina ny tomponandraiki-panjakana hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika, ary tsy hita izay fepetra hentitra raisina hiadiana amin’izany fampahantrana ny firenena izany.

Nosokafana ny sisintany sy ny habakabak’i Madagasikara, ary ny eo amin’ny lafiny fitandroana ny ara-pahasalamana ihany no nanaovana filazana be dia be. Tsy re araka izany izay fepetra hentitra noraisina hisorohana ny tsy isian’ny famoahana harem-pirenena an-tsokosoko intsony toy izay efa isy teo aloha sy mandraka ankehitriny aza. Mazava loatra raha mitoetra ny ahiahin’ny olom-pirenena momba izany.