TENA HOE “FOTOANA IZAO”

Ireo mpitondra nanao ratsy, hatreto, tsisy mba voatana,
Fa toa ny olon-tsotra hatrany no alefa am-pigadrana.
Efa feno ny any am-ponja saingy ny hany aiditra any
Dia ny avy amin’ny fanoherana na ny ambany hatrany hatrany.

Raha vao ny “olona vaventy” no manao ny hadalana,
Dia tsotsorina amin’ny hoe: apetraho ny fialana.
Tsisy alefa mba higadra, tsisy alefa hanefa sazy.
Tena afera tsisy tohiny fa mazàna “vita ho azy”!

Na koa tampotampoka eo dia re fa hoe tafaporitsaka,
Ary any ivelany any no indreny fa mifitsaka.
Misy sasantsasany aza, mbola akarina girady,
Na koa mbola omena andraikitra eo anivon’ny ambasady!

Mbola tsisy toy izao nandritry ny enimpolo taona,
Fa ny ataon’ireo mpitondra, efa tapitra mivaona.
Tena tsisy zava-banona noho ny resa-politika.
Fitsarana manahoana koa no misy eto amintsika?

Tena hoe “fotoana izao” ka aoka tsisy hanaiky intsony
Ny hadalana sy hagegena ataon’ireo mpitondra ambony.
Tena hoe “fotoana izao” mba hitakiana fanovana.
Mirosoa ry Malagasy difotry ny fahantrana!

DADAN’I ZINA (06-03-22)