CNaPS – 38 tapitrisa ariary isambolana no sitrahan’ny tale jeneraly ?

Ny Valosoa

Toa atao tantely afa-drakotra ny volan’ny mpiasa natao ho fiahiana ara-tsosialy izay mipetraka ao amin’ny CNaPS na Caisse Nationale de Prévoyance Sociale. Toa karama sy fanampiny mihoapampana no sitrahan’ny tale jeneraly. Toa vola be no sitrahan’ny fikambanana akaiky ny filoha. Toa misy mpikambana ao amin’ny fitantanana misitraka tany lafo vidy.

Araka ny loharanombaovao niparitaka tao anaty serasera dia 25 tapitrisa ariary na 125.000.000 fmg no karama raisin’ny tale jeneralin’ny CNaPS isambolana. Tsy vitan’izany fa mbola miampy ‘prime’ 2 tapitrisa ariary sy hofantrano 11 tapitrisa ariary.

Ankoatr’izay dia hita tao anaty antontan-tararasy ny famoahambola 100 tapitrisa ariary ho ana fikambanana akaiky ny filohan’ny repoblika.

Mbola hita ao koa mpikambana iray ao amin’ny filankevi-pitantanana na  Conseil d’administration izay toa nividy tany mitentina 12,5 miliara ariary.

Eo anatrehan’izany, raha ny fiheveran’ny olompirenena tsotra, dia fanambarana avy amin’ny mpitantana ao amin’ny CNaPS no andrasana. Kanjo, araka ny efa mahazatra amin’ity fanjakana ity, dia fiantsoana ny filoha sendikalin’ny CNaPS eny anivon’ny ‘cybercriminalité’ indray no niseho. Tsy fantatra hatreto ny aminy.

Raha toa ka vaninandron’ny rivodoza sy tondradrano ankehitriny, dia misy rivodoza hafa miaraka amin’izany, rivotra maimbo kolikoly sy mambotry ny firenena. Ary raha hita eny rehetra ireny ny fahavoazana nateraky ny tondradrano, dia tondraka hafa kely koa no mahazo ny olompirenena, dia ny fahafambaraka asehon’ireto mitantanana ny firenena.

Vaovao nangonina (https://youtu.be/qB4GATthgO4?t=1325)