EDITO 5 Martsa – Fitondrana bemarenina, jamba, sady moana no misy eto

Ny Valosoa

Tsy misy jamba mihoatra noho ireo izay minia mikimpy tsy mahita ny fahasahiranambahoaka, tsy misy moana noho izay mikombombava manoloana ny tsy rariny miseho eto amin’ny firenena, ary tsy misy marenina noho ireo manentsi-tadiny ,tsy te hihaino ny fikiakiakin’ny mpiray firenena ianjadian’ny fanararaotana ataon’ireo nahazo fahefana.

Ny Talata 03 Febroary 2022 teo no andro manerantany ho an’ny fandrenesana, mankalaza izany isantaona i Madagasikara, nisy ny fitiliana ny fitaovampihainona dia ny sofina izany, tamin’ny toerana fito teto amintsika, ka ny efatra teto Antananarivo, ny roa tany Antsirabe ary ny iray tany Analakininina tany Toamasina.

Matetika rehefa fankalazana dia mifantoka amin’ny lafiny fitsaboana ny resaka, kanefa ny tena olana mahazo laka eto amin’ny firenena dia ny fisian’ireo mpanampintsofina sy minia tsy te haheno ny zavamisy marina.

Ireo mpitondra no tiana ambara etoana, satria misy ireo tranga miverimberina hatrany, kanefa dia toa tsy mbola ahitana vahaolana foana, toy ny vatsimpianarana tsy voaloa raha tsy mandoro kodiarana, ny karama tsy voaray raha tsy misy filanjana sorabaventy, ary ny saran’ny asa vita tsy misy tokotaniny hatramin’izao toy ny an’ireo orinasa mpikojakoja lalana.

Ireo mpitondra tsy mahaloa volan’olona dia tsy sahy miteny hoe tsy misy ny vola na mbola navily nampiasaina any ankafa, fa dia mbola midedaka mitanisa ny hoe: misy “procedure” tsy maintsy arahina hono vao mivoaka ny vola, kanefa hita fa resaka longoa mitoto bozaka fotsiny izany, satria raha tena nampiharina arakan’ny tokony ho izy, ny lazaindry mpamitaka mianakavy hoe “procedure” dia vao mainka haingana sy tsy mitarazoka ny famoahambola.

Mihevitra azy ho tena paingotra ireo mpitondra, saingy ireo niharan’ny tsy rariny koa fanjaitra lavitra noho izy ireo, ka raha miseho manazava “procedure”, dia mba manapintsofina tsy mihaino ny habobo ambaran’ ireo koa ireo tsy nahazo vola, asaina miakatra fahitalavitra avokoa ireo mpamono afo isankarazany, saingy mba minia manao jamba koa ireo tra-pahavoazana tsy andrariny, ka very maina ny serasera diso kajy ataon’ny mpitondra.

Zon’ny mpianatra ny misitraka vatsimpianarana, ary ny lalàna no mametra ny tsy maintsy ahazoan’ny mpiasa ny karamany, ary ireo orinasa izay nahatontosa ny asany antsakany sy andavany dia efa voalaza tamin’ny fifanarahana na “contrat” fa tokony ho sandaina ny asa vitany.

Matoa ny mpitondra tsy mahaloa volan’olona dia mazava fa navily any ankafa ny vola, mba tsy ilazana mivantana hoe efa hena antanantsaka, ny vahaolana taingina avy amin’ireo mpitondra gaigy ireo dia tsy misy afa tsy ny fialana bala amin’ny resaka “procedure” tsy mitombina, sy ny fanaovana bemarenina sy mody jamba ary misarimoana, saingy misy fetrany ihany ny fandeferana, satria azo inoana fa tsy handefitra hatramin’ny farany ireo tokony ahazo vola.

Fa tsy maintsy ho tonga ny fifidianana, amin’izay fotoana izay dia ho avy ny fanasaziana goavana avy amin’ny vahoaka ,izay inoana marimarina fa hampisokatra ny voamaso sy hampiala ny taintsofin’ireo tsy matahotody zatra nampahory vahoaka.