EDITO 3 Martsa – Aoka tsy ho very dia amin’ny zava-misy any ivelany

Sôh’son

Marina fa Nosy isika, ka tsy tokony hiolonolona samirery aty amin’ity ranomasimbe misy antsika ity, fa tokony hifandray sy hivelatra amin’ny firenen-drehetra manerantany. Iaraha-mandre sy mahita amin’ny fampitam-baovao any ivelany ny zava-mitranga any Ukraine tato anatin’ny andro maromaro lasa izay. Ny mahavariana, samy misintona ny mpitondra malagasy hirona aminy, hanohana azy ireo avokoa na ny Tandrefana na ny Tatsinanana na i Rosia izany. Ilay firenena mahantra indrindra manerantany ary mena-mitaha amin’ny hafa. Fa inona ny lanjan’ny firenena sy ny mpitondra manoloana ny sehatra iraissam-pirenena? Inona no akon’ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina teo amin’ny polipitran’ny Firenena Mikambana raha nilaza ny momba ny Nosy manodidina izay an’ny firenena Malagasy, fa bodoin’ny fitondrana frantsay mandraka ankehitriny ary izy no migoka ny harena amin’izy ireo nandritry ny taona maro efa ho taonjato iray mahery? Tsy nisy nahitan-teny momba izany ary tsy nisy fehin-kevitra nivoaka ankoatra ny tamin’ny andron’ny Repoblika faharoa. Hatreto dia arirarin’ny fitondrana frantsay fotsiny ny raharaha ary sarotra antenainy ny hiverenan’ireo Nosy ireo amin’ny Malagasy hatreto.

Tsy izany no hampisavoan-tsaina ny mpitondra, ka tsy ahitany ny zava-misy marina. Ny zava-misy marina, mahantra i Madagasikara, ary mila fanavotana maika dia maika ny vahoaka malagasy. Izay aloha no laharam-pahamehana ilàna ny fiaraha-mientana izao, satria mibaribary loatra ilay fahantran’ny Malagasy. Sa ny toe-javamisy toy izao any Ukraine izao, no anisany ilain’ny fitondrana amin’ny politikany, fa hanarian-dia ny vahoaka amin’ny zavatra hafa aza foronina. Atao izay hanarian-dia ny vahoaka mba tsy hifantoka be amin’ny fahoriany amin’ny fahantrany eo amin’ny fiainana andavanandro eo, ka hampisokatra sy “hahatonga saina” azy. Marina fa hisy fiantraikany aty amin’ny firenentsika ny zava-mitranga any Ukraine eo amin’ny sehatra ara-tsosialy na toekarena, ohatra, kanefa mila ifantohana ny firenena. Mila mipetraka amin’ny tany ny tongotry ny mpitondra ary mila manokatra tsara ny masony ahitany sy hiainany ny zava-misy marina eto amin’ny firenena, sy amin’ny vahoaka, raha tena mahatsiaro ho tomponandraikitra marina sy mendrika an’izany tokoa. Ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena sy any ivelany, mampifandrirotra ny firenena maro matanjaka, dia hahafahana mandrefy indray ny fitondrana Rajoelina amin’izay ho fihetsika sy fepetra raisiny.