“Sikilaonina sy skandalina” – Hiteraka krizy ho an’ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Maro ireo voambolana vahiny no efa nogasiantsika malagasy ary ampiasaintsika toy ny tenindrazantsika mihintsy toy ny : môtera, masinina, sarety, kamiao, forisety, gitara, pianô, harmônia, sns… fa ankoatr’ireo dia misy koa voambolana vazaha toy ireo voalaza ireo, izay mahazo sehatra eny amin’ny fiarahamonina dia ny krizy izany, tsy miasa saina intsony isika malagasy mitady ny dikan’ny hoe “crise” amin’ny teny malagasy, fa tonga dia gasiana tsotr’izao dia samy mahalala ny dikan’io avokoa ny malagasy rehetra mpanaraka ny raharahampirenena.

Fa tamin’iny volana Febroary tapitra omaly iny dia nahazo laka ny voambolana roa nogasiana dia ny siklaonina sy ny skandalina. Misy ny teny hoe rivodoza nandikana ny “cyclone” saingy tsy mahamailaka ny vavan’ny malagasy izany, f’ilay siklaonina ihany no mety aminy, ny “scandale”, indray tsy misy te hiasa saina hitady izay dikanteny malagasy, fa ataony ampy azy ny fahalalana ny hevitr’ilay teny, izay midika ho zava-tsy mety mipoitra hatrany ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, dia gasiana tsotsotra koa io hoe skandalina, dia samy mahazo ny rehetra.

Nandritra ny volana Febroary dia nisesisesy ny siklaonina nandalo teto amintsika, samy namela takaitra avokoa izy ireny, satria niteraka famoizana aina sy faharavana fotodrafitrasa asa maro, toy ny trano fonenana, sekoly, toeram-pitsaboana, lalana, tetezana, toy izany koa ny voly efa nisasarana teny an-tsaha.

Fa mbola tamin’iny volana Febroary iny koa dia nitranga ireo karazana skandalina isankarazany, ka ireo olon’ny fitondrana no nanao izany, dia ireo ao anatin’ny fahefana mpanantanteraka sy mpanao lalàna.

Nampiaka-peo ny Depiote Rahasimanana Paul Bert: Rossy, namaly ilay vadina minisitra efa mpanao skandalina lava, tsy takona afenina koa ny skandalina nahazo an’Ingahy Minisitry ny Fitsarana, izay niafara tamin’ny fametrahana fialana sy fanagadrana an’i Raissa Razaivola. Ny skandalina mivantana nasehon’Ingahy Depioten’Atsimondrano tamin’ilay mpampianatra taranja fanatanjahantena, ary ny farany teo dia ny skandalina vokatry ny nataon’ireo tompon’andraikitra ambony mandrara ilay Tale mafana fo ao amin’ny “Bngrc” tsy hiteny intsony amin’ny Tvm sy Rnm, fa ny tena goavana tsy azo ihodivirana dia ilay tatitra navoakan’ny ” cour des comptes “, izay namoaka amin’ny antsipiriany ny hagaigena nataon’ny fitondrana nanao tantely afa-drakotra ny vola fanampiana tokony ho niatrehana ny aretina koronaviriosy, skandalina hita porofo ireny, satria miteny ho azy ny tarehimarika.

Ireo rehetra voalaza ireo dia ampy ilazana fa manjaka ny skandalina vokatry ny ataon’ireo olomboatendry sy olomboafidy miaradia amin’Ingahy Rajoelina, mbola vao volana Martsa isika izao, any amin’ny fiandohan’ny volana Aprily vao ho tapitra ny fotoan’ny siklaonina, ny skandalina indray dia tsy voafetra satria ireo mpitondra dia manao “vorona azon’adala”, ny fahefana azony, ka mazava ho azy fa tambavy efa fisotron’izy mianakavy ny skandalina, izay mety hitondra siklaonina amin’ny endriny hafa, handrava azy ireo na amin’ny andro ririnina sy fararano aza, anisan’ireny ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ireo vola tokony ho sitrahan’ny vahoaka.

Diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela, fa dia ny aina no matezà ahita ny tohiny satria ny karazantsiklaonina sy skandalina bevata misesisesy sy miverimberina no mampisy ny krizy handoro izay nanangana ny afo.