RY RAIAMANDRENY !

Nankaiza nankaiza ireo raiamandreny?
Nankaiza nankaiza ireo olon-to teny,
Fa efa mirehitra ny jiro mena,
Milaza fa mihemotra ny firenena!

Manao sain-jaza ireo olo-mitondra,
Ary tena manjaka ny “lohan’ampondra”,
Fa sarotra ahitsy, tsy laitra tenenina,
Sady minia toa manao bemarenina!

Zava-tsy maika no tiany hirosoana
Sy ezahiny hatao handaniana fotoana,
Kanefa etsy ankilany iretsy vahoaka,
Efa maina tanteraka, mila hipoaka!

Nankaiza ianareo “fotsy volo amin’ny tany”?
Ny manam-panahy ve variana any ho any?
Meteza hiseho sy hijoro eto an-dasy
Fa mila mpampihavana ny Malagasy!

Mandifotra loatra ny fitiavantena
Ireo izay mitantana ny firenena,
Ka mila mpanaitra sy mila mpanarina,
Hamerina indray ho amin’ny lalana marina!

Ilaina ianareo re ry raiamandreny,
Tsy hanao tazan-davitra lava eny ho eny.
Na “ara-panahy” io na hoe “ara-tsaina”,
Na koa “ara-drazana” raha toa ilaina.

Fa tena efa reraka ny firenena.
Misento, mijaly ary mampahonena,
Ka tena ianareo no hany sisa antenaina
Ho rano mamelona indray ny efa maina!

DADAN’i ZINA (27-02-22)