EDITO 1 Martsa – Fiainam-pirenena – Mila olon-kendry homeny fahefana ny vahoaka

Sôh’son

Hatreto, tsy mbola re nifona tamin’ireo mpampianatra taranjam-panatanjahantena sy ny sehatra hafa ilay olom-boafidy nanao z’inona ny mpampianatra iray, izay niteraka resabe mihitsy tamin’ny haino vaky jery sy ny tambazotran-tserasera sosialy. Ny teny toy ny salaka, ka mamatotra ny tompony, ary avadibadika im-pito ny lela, raha olon-kendry, vao miteny.

Tato ho ato maro ireo olom-bofidy na olom-boatendry no mamoaka fitenenana hita ho tsy voahevitra ny ho akony. Rehefa mipoitra ny vokany, tsy araky ny nampoiziny, vao mody mitakemotra sy mitady “lalan-kafa”. Ho an’iry olom-boafidy, dia tsy noeritreretiny, fa maro amin’ny mponina any amin’ny distrika iandreketany, ao Atsimondrano no tohina ihany koa ary indrindra mahatsiaro ho menatra sy afa-baraka. Tsy endrika toy ireny no andrasany isehon’ny solombavany. Tsy tokony hifona amin’ireo koa ve ny tenany? Ho an’ny maro, tsy tamin’iny tranga iny ihany, no nisian’ny fihetsika nataony, ka nahamenatra ny mponina tao aminy, fa efa nisy tany aloha, raha araka ny filazan’izy ireny. Diso safidy ve izany ny mponina? Ary izy ity ary toa tsy nahavita ny vitan’ny teo alohany akory hatreto, raha ny fanamarihan’ny sasany. Mila mandini-tena lalina ny olom-pirenena amin’izay olona hofidiany hisolovava azy eo anivon’ny Antenimerampirenena, na ihany koa ny hitondra ny firenena mihitsy.

Mila olon-kendry ny firenena ankehitriny, f’izany no antoka iray hahatafavoahana amin’izao toerana ratsy misy azy izao. Hita miharihary ny fahabangan’izany eo anivon’izao fitondrana izao. Ary n’inona n’inona fanazavana fiarovan-tena, fandoto iray tandroka tsy mahaleo ny fandoto iray siny. Mila fahendrena sy fahamatorana ny fitondrana firenena, tsy ao amin’ny filoha Rajoelina sy ny ekipany mihitsy izany hatreto, lainga tsara lahatra sy fampanantenana poakaty no ataon’izy ireo hatreto amin’ny ankapobeny, mbola maizina tanteraka ny ho avin’ny firenena raha izy ireo no hantenaina. Ny mahafinaritra no mahamaika azy izy ireo, fa izay tena mahasoa ny vahoaka tsy mandady harona.

Mbola hafa ihany ny filoha Marc Ravalomanana hoy ny maro, matotra, hentitra, mahay, mahavita ary sahy. Miandry azy ny vahoaka maro an’isa hitondra ny firenena indray. Iaraha-mahalala rahateo fa halabato, no nahalany ny mpitondra amin’izao noho ny resaka “doublons”, fa fandeferana no nasehon’i Dada sy ny ekipany, mba tsy hisian’ny korontana tamin’ny taona 2018 sy 2019 ireny. Tsy hisy hanaiky fitaka sy halabato ary ramatahora intsony amin’ny fifidianana ho avy manaraka eo…